Talata 19 Oktobra 2021

(Hoy i Joba :) Mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho. Joba 33:10

Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe : Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’Andriamanitra ? Joba 35:2

 

Ny kapoka faratampony (2)

Na teo aza ireo fitsapana nihatra tampoka tamin’i Joba, dia tsy mba nanonona teny fikomiana mihitsy izy. Nilavo lefona i Satana. Nefa mbola hikarakara an’i Joba ihany Andriamanitra.

Nisy telo tamin’ireo namany, tonga mba „hampahery” azy, hono, nefa tsy „fampiononana” akory no nataon’izy ireo. Milaza an-kolaka izy ireo hoe niharana sazin’Andriamanitra i Joba. Niaro tena fatratra i Joba, nanambara fa tena manana fiainam-pinoana izy. Nefa tsy nisy indrafo sady diso tanteraka ny hevitra nalahatr’ireo naman’i Joba momba ny tena antony nahatonga ny fitsapana azy, ka nahatezitra sy nampisafoaka azy. Nony farany dia nihevitra izy, ary nanambara mihitsy aza, fa tsy marina Andriamanitra, manao azy ho fahavalo, nefa izy Joba dia lehilahy marina. Lava sy mampahory ny adihevitra nifanaovany tamin’ireo namany telo lahy, adihevitra nanitrikitrihany fa marina sy lavorary izy. Dia niditra an-tsehatra ity namana fahefatra, nanandrana nampijery azy amina lafiny hafa ny toejavatra. Tsy nanan-kalahatra intsony i Joba, ka farany dia nangina.

Dia nasehon’Andriamanitra an’i Joba ny fahalehibeazany hita eo amin’ny voary, ary notarihiny izy hiaiky ny maha tsinontsinona azy. Nony farany i Joba dia nanonona ny teny mahavonjy sy misy vokany azo tsapain-tanana, hoe : „Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao ; koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho” (Joba 42:5, 6). Nanomboka teo i Joba dia nandray ny lesona tian’Andriamanitra nampianarina azy. Nianatra hahafantatra ny tenany izy, ary nianatra ihany koa hahafantatra an’Andriamanitra, Izay nanova ny fitsapana mamaivay nihatra taminy, ho fitahiana azy. Naverina taminy ny fahasalamany sy ny fananany. Andriamanitra dia „nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany” (Joba 42:12).

(hifarana amin’ny alatsinainy)