Zoma 26 Novambra 2021

(Hoy Jesosy :) Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay nirahina any aminao, impiry Aho no ta hanangona ny zanakao tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety ianareo ! Lioka 13:34

Tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana. Jaona 5:40

 

Izaho te… nefa tsy nety ianareo

Ianao ve mbola tsy nahare mihitsy olona niteny hoe : „Tsy afaka hino aho, tsy mety manana finoana aho” ? Ny olona miteny izany, raha ny marina, dia minia mandà, araka ny asehon’i Jesosy ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina notanisaina androany ireo.

Fahiny elabe talohan’ny nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany, dia efa naniraka mpaminany Andriamanitra ho eo amin’ny vahoakany tsy mpankatò, mba hamerina azy ireo aminy. Nefa „tsy [nohenoiny] ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy… tsy nihaino ianareo” (Jeremia 29:19). Ary tao Jerosalema renivohitra mihitsy aza no matetika nitrangan’ny fihetsika mahery setra indrindra, nanoherana ireo irak’Andriamanitra. Lehilahy iray nantsoina hoe Zakaria, ohatra, dia notoraham-bato „araka ny tenin’ny mpanjaka” (2 Tantara 24:20-22). Ary nandritra ny fiainany tetỳ an-tany Jesosy dia nanao izay rehetra azony natao mba hanangonany ny vahoaka Israely ho „ao ambany elany”, toy ny ataon’ny reniakoho amin’ny zanany. Tamin’izany fotoana rehetra izany anefa, dia nitovy hatrany ny zava-nitranga : tsy nety izy ireo ! Ary isika, mba te hanatona an’Andriamanitra ve isika ?

Ao amin’ny teny faharoa nomena androany Jesosy dia mandeha lavidavitra kokoa, ary mampiseho amintsika hoe mitondra aiza io sitrapo manohitra Azy ao am-pon’ny olona io : „Tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana”. Izany mantsy ny loka : ny fiainana mandrakizay ! Toy ny nataon’Andriamanitra fahiny tamin’ny alalan’i Mosesy, dia apetrany eo anoloantsika ny safidy hoe : „Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao” (Deoteronomia 30:19).

Inona no hosafidintsika ?