Alakamisy 24 Desambra 2020

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana. Jaona 3:16

Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina. 2 Korintiana 9:15

 

Inona no fanomezana Krismasy, amin’ity taona ity ?

Krismasy, vanintaona tsy tiantsika hodinganina izany ! Hazavain’ny jiro maro loko ny lalana, rakotra entam-barotra ny talantalana, ary mitombo isa ny dokambarotra. Samy mieritreritra izay fanomezana ho azony na hatolony amin’ny Krismasy ny tsirairay !

Fa inona moa ny zavatra tiantsika rehefa Krismasy ?

Ho an’ny sasany ny Krismasy dia ho fotoana mahafinaritra, toy ny fotoana kely miavaka ao anatina tontolo tsy mifaditra ovana sy maneritery. Ny Krismasy angamba dia mety ho fotoana ihaonan’ny mpianakavy na ny mpinamana… Fa isika ve, alohan’ny zavatra rehetra, tsy mikatsaka zavatra iray very… ny tena fiadanana, ny tena fifaliana, ny tena fitiavana ? Nefa iza moa no tena mino izany, ankoatra ny ankizy ?

Kristiana maro, any amin’ny tany sy kolontsaina samihafa, no manana izany harena izany ao anatin’ny fony lalina ao, dia ny Kristy. Ary tian’izy ireo ny mampahafantatra izany amina hira : “Raha mba fantatrao moa Ilay Mpamonjy ananako…” Ny faniriany lalina dia ny hahafahan’ny olona rehetra mandray sy mizara io harena io. Ny mampalahelo azy ireo dia satria maro ny velona sy maty tsy manana Azy.

— Fa inona moa ny Krismasy ?

— Hay ! tsy fantatrao angaha ? Fomba nolovain’ny olona izany, avy amina zava-mahagaga izay raisiny ho anganongano fotsiny ihany. Saingy izao ny marina, ny hafatra mahagaga taterin’ny Baiboly amintsika : Andriamanitra dia nanjary olombelona, teraka toy ny zazakely, mba hamonjy ny olona very, lavitra Azy. Jesosy, Izy no Ilay afaka manome ny tena fiadanana, ny tena fifaliana.

“Raha mba fantatrao moa Ilay Mpamonjy ananako !” Afaka miteny izany ve ianao ankehitriny ?