Zoma 25 Desambra 2020

Hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Lioka 2:10-11

 

Inona no hevitry ny Krismasy, amiko ?

Tsara vakina : Lioka 2:1-20

Matetika dia vakina mandritra ny vanimpotoanan’ny Krismasy ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy. Ireo mpiandry ondry, sondriana niandry ny ondriny nandritra ny alina, dia voahodidina tampoka tamin’ny “voninahitry ny Tompo”. Dia nisy anjely nanambara tamin’izy ireo zava-mahafaly lehibe iray, dia ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Azo an-tsaina ny fihetseham-pon’ireo mpiandry ondry ireo : nohodidinin’io hazavana tsy fahita tao anaty alina io izy ireo, ary nahazo tombon-dahiny mampitolagaga nandre anjely marobe nanambara ny hafatr’izy ireo ho an’ny tany, hafatra mitory fiadanana. Ho afaka nianina nifampiarahaba sy nanao fihinanambe fotsiny izy ireo. Nefa tsy izany ! Ny zava-dehibe indrindra tamin’izy ireo, dia ny handeha hizaha Ilay Jesosy Zaza, mandry ao amina fihinanam-bilona. “Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo antsika” (and 15). Tsapan’izy ireo tsara fa ny fanomezana natolotr’Andriamanitra azy ireo dia tsy ilay fotoana tsy manam-paharoa vao niainany teo, fa Ilay zazakely, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga olona mba hamonjy izao tontolo izao.

Ary izaho sy ianao, raha mba mandre io tantara mahafinaritra momba ny nahaterahan’ny Mpamonjy io, angamba amin’ny alin’ny Krismasy, aza mijanona fotsiny amina fihetseham-po mandalo, tsy mampitony afa-tsy fotoana fohy. Andriamanitra dia te hanome antsika fitahiana lehibe lavitra, fiadanana mandrakizay ; tiany ny handraisantsika amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny fanomezana nataony ho antsika. “Nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).