Alarobia 23 Desambra 2020
Amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany (nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao, Izy koa no famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra, ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny ; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo. Hebreo 1:2-3
Ny Baiboly dia miteny amintsika ny momba Azy, raha vao manomboka ireo pejy voalohany, rehefa nanambara Andriamanitra, taorianan’ny fahotana voalohany nataon’ny olona, fa indray andro any dia hisy Mpamonjy, Ilay hanorotoro ny lohan’ny menarana. Ao aoriana kely, ao amin’ny Testamenta Taloha, Abrahama, Mosesy, Davida, ireo mpaminany, dia nanambara ny hiavian’ny Mesia, ny Kristy.
Ny fizarana faharoa ao amin’ny Baiboly (ny Testamenta Vaovao) dia manomboka amin’ireo filazantsara efatra. Ireo dia tantara efatra isehoan’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ho olona tetỳ an-tany, tonga mba hanatanteraka antsakany sy andavany ny sitrapon’Andriamanitra. Ny fankatoavany tanteraka dia nitondra Azy hatreo amin’ny hazofijaliana, ary nanaiky ny ho faty teo Izy. Nisolo toerana antsika Izy teo, nizaka ny fanamelohana sahaza antsika noho ny tsy fankatoavantsika an’Andriamanitra. Dia maty Izy … nefa Andriamanitra nanangana Azy ho velona indray. Nivoaka ny fasana Jesosy Kristy, nampiseho tamin’izany fa resiny na dia ny fahafatesana aza (Hebreo 2:14, 15).
Manaraka izany dia nakarina any an-danitra Jesosy, ary napetrak’Andriamanitra eo ankavanany, toeram-boninahitra avo indrindra, ka izany no fomba nanaporofoany fa nahafa-po Azy Kristy sy ny asa lavorary notanterahiny. Ankehitriny dia mikarakara antsika ny Tompo. Na dia eo akaikin’Andriamanitra Ray aza Izy, dia eo anilantsika ihany koa, ary tsy sasatra manampy antsika, manasoa, manoro hevitra, mampahery, manafaka amin’ny ratsy.
Ary tsy izany ihany ! Hiverina indray Jesosy Kristy haka ireo izay nino Azy. Nampanantena azy ireo Izy hoe : “Ho avy indray [Aho] ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3). Fanantenana toy inona moa, ho an’ny mpino, ny hoe hiaraka mandrakizay amin’ny Tompony ! Tsy mba te hanana izany fanantenana izany koa ve ianao, amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy ?