Alarobia 1 Jolay 2020
Atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko. Salamo 81:10
Ary Jabeza niantso an’Andriamanitry ny Israely hoe : Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko... Ary dia nomen’Andriamanitra azy ny nangatahiny. 1 Tantara 4:10
Tamin’ny andron’ny mpaminany Elisa (tokony ho 800 taona talohan’i JK) no nitranga ny tantara. Tsy nahaloa ny trosany intsony ity vehivavy mananotena iray, ka notadiavin’ny tompon-trosa halaina ho andevony ireo zanany roa lahy. Tsy nahita vahaolana ilay vehivavy, ka nony farany dia nangata-bonjy tamin’i Elisa, ilay lehilahin’Andriamanitra. Namantatra ny zava-misy i Elisa : diloilo iray tavoara sisa no ananan-dravehivavy. Fantatr’i Elisa fa hanao fahagagana ho azy io Andriamanitra, ka ho afaka mandoa ny trosany izy, amin’ny fivarotany diloilo. Noho izany dia mila vilany izy, ka nirahin’i Elisa mba hindrana any amin’ireo mpiara-monina aminy rehetra. Nohafarany ravehivavy hangataka vilany faran’izay maro azony atao : “Aza atao vitsy”. Dia nitranga ny fahagagana : tsy nety ritra ny diloilo tao anatin’ilay tavoarany, ka nahafahany nameno ny vilany rehetra voaangony. Ary rehefa feno ny vilany rehetra, dia nitsahatra tsy nikoriana intsony ny diloilo. Namaly tanteraka ny finoan’io vehivavy io Andriamanitra. Tsy misy fetra ny fahasoavany.
Mananatra antsika izany tantara izany. Aoka ny fitahian’Andriamanitra tsy hoferantsika amin’ny tsy finoantsika, na ny marimarina kokoa, amin’ny finoantsika kely loatra sy be fametra. Raha “vilany telo” monja no indramintsika, dia izay ihany no hofenoiny. Hoy ny Baiboly amintsika : “Tsy manana ianareo, satria tsy mangataka” (Jakoba 4:2).
Aoka àry hotsarovantsika ny lazain’Andriamanitra amin’ny vahoakany, ao amin’ny toko farany amin’ny Testamenta Taloha, hoe : “Izahao toetra amin’izany Aho … raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo, ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo” (Malakia 3:10). Ho antsika ihany koa izany fampanantenana izany, satria tsy miova Andriamanitra !