Alakamisy 2 Jolay 2020

Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. Jaona 3:36

Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay ; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Matio 25:46

 

Maty ary mandritra ny fotoana ho ela dia ela

« Indray mandeha ihany isika no maty, ary mandritra ny fotoana ho ela dia ela ». Izany dia lohateny-na boky nosoratana dokotera mpitsabo vonjy taitra, manoritsoritra ny fialana aina sy fahafatesan’olo-malaza maromaro. Mampahatsiahy antsika fahamarinana manetriketrika izany lohateny izany : mandritra ny fotoana ho ela dia ela… Ao an-tsain’ny olombelona tokoa mantsy ny fiheverana ny mandrakizay. Tsy tapitra tsy akory ny zavatra rehetra, aorianan’ny fahafatesan’ny vatana. Lafiny iray ihany amin’ny zava-misy ny fahafatesana resahin’ilay mpitsabo, dia ilay fahafatesana mitarika ny fisarahan’ny fanahy sy ny vatana. “Miala ny fofonainy (ny fanahiny), ka miverina ho amin’ny taniny izy” (Salamo 146:4). “Fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny” (Mpitoriteny 12:7).

Ny olombelona noarìn’Andriamanitra dia tsy mba mety maty. Ny fanahy dia ilay singa ambony ananan’ny olombelona, ary mampiavaka azy amin’ny biby. Velona mandrakizay io fanahy io, ary ahafahany mifandray amin’Andriamanitra. Raha nahafantatra an’Andriamanitra ho Raintsika isika, teto an-tany, dia ny tranony no ho fonenantsika ho mandrakizay. Fa raha toa kosa ny fontsika ka nijanona ho nangatsiaka ary tsy nihaino Azy niantso antsika mba handray ny famelan-keloka atolony, dia hihaona aminy amin’ny maha mpitsara Azy isika, any an-danitra. Ny fahafatesana no ho fiafaran’io toetra io, ary “mandritra ny fotoana ho ela dia ela”.

Mandraka androany Jesosy Kristy dia mbola “loharanon’ny famonjena mandrakizay, ho an’izay rehetra manaraka (izay rehetra mankatò) Azy” (Hebreo 5:9). Raiso izay atolony anao. Izay mino an’i Jesosy dia manana fiainana mandrakizay.

 

Voninahitra ho an’i Jesosy ! Dera ho an’Ilay Mpanavotra !

Izy no naharesy ny fahafatesana.

Fantatr’i Satana, ilay fahavalo, ny herin’i Kristy,

Ary tsy nahatana Azy ny fasana.

Voninahitra ho an’ny anaranao, ry Tompo Jesosy !

Samy resinao ny helo sy ny fahafatesana.