Talata 30 Jona 2020

Tsinjovy ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny ; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo ? Matio 6:26

 

Tsinjovy ny voromanidina

« Vao tsy ela izay izahay no nahatsikaritra isan-kariva, vorona an-jatony mihodina manao faribolana ary avy eo mitsofoka ao anatin’ilay lalan-tsetroka lehibe sy avo indrindra amin’ireo telo misy eo amin’ny manodidina anay, ilay hany misy tafony. Ny namanay iray, izay manampahaizana momba ny vorona, dia nilaza tamiko hoe azo antoka fa sidintsidina izany vorona izany. Ampiasain’izy ireo io lalan-tsetroka io ho fiatoana, mba hialany sasatra amin’ny diany mifindra monina. Nanontaniako izy hoe :

— Fa nahoana izy rehetra no miditra ao anatin’ilay lalan-tsetroka avokoa ?

— Nomen’Andriamanitra tongotra afaka mifikitra amin’ny biriky marokorokon’ilay lalan-tsetroka izy ireo, ka afaka matory tsara.

— Nahoana no lafy iray hatrany no idiran’izy rehetra ?

— Satria nomen’Andriamanitra saina izy ireo hahaizany misoroka ny fikorontanana rehefa miditra, sy ahafahany mihantona milamina tsara.

— Nahoana izy ireo no tsy nandeha tao amin’ireo lalan-tsetroka telo ?

— Satria ny tafo no miaro azy rehetra tsy ho lena. »

(araka an’i L.J. Ondrejack)

Tena asan-tanana mahatalanjona nataon’Ilay Andriamanitsika tokoa ireo voronkely ireo. Ny karazam-borona tsirairay dia samy nomena fahaizana mampigaga sy maro karazany.

Isika izay zavaboarin’Andriamanitra ihany koa ve tsy nomeny, ambonin’izany, ny fahafahana mahafantatra Azy ? Izy no Ilay nahary antsika ary naneho ny tenany tamintsika. Ahoana no tsy hahafantarantsika fa sarobidy noho ireny voromanidina kely ireny isika ?

Andriamanitra dia nitia fatratra ny zanak’olombelona, ka “nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).