Alatsinainy 29 Jona 2020

Ary ankehitriny, inona no andrasako, Tompo ô ? Ianao no antenaiko. Salamo 39:7

Miantombena amin’Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko ; fa Izy no antenaiko. Salamo 62:5

 

Ny andrasan’ny kristiana

Hoy ilay poeta antsoina hoe Alcuin (735-804) : “Ny fiainana dia fiandrasana ny fahafatesana”. Toy ny olona rehetra, ny kristiana dia mahafantatra fa hisy fiafarana ny fiainany eto an-tany, saingy tsy mba toy ny tsy mpino kosa izy, fa manana fahazoana antoka : manana ny fiainana mandrakizay azon’i Jesosy Kristy ho azy. Hoy ny Baiboly hoe : “Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13).

Manontany tena angamba ianao hoe : “Fa inona moa ny hoe fiainana mandrakizay ?” Jesosy mihitsy no mamaly hoe : “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3). Izany fahazoana antoka izany, izay raisin’ny kristiana amin’ny finoana, dia miorina amin’ny herin’Andriamanitra sy ny fitiavany (1 Korintiana 2:5). Mahatonga ny mpino hiandry zavatra am-pahasambarana izany, hiandry ny hiaraka mandrakizay amin’i Jesosy Mpamonjiny sy Andriamaniny.

Hoy ny apostoly Paoly : “Maniry hiala ka ho ao amin’i Kristy [aho], satria tsara lavitra izany” (Filipiana 1:23). Niandry izany fotoana izany tam-piadanana izy, satria natoky ireo fampanantenan’Andriamanitra. Nefa nipetra-potsiny ve izy, teo am-piandrasana izany ? Tsia, fa nampirisihiny aza ny mpino mba hiandry “ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy”, sy mba “ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara” (Titosy 2:13, 14).

“Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ny asa sy ny teny tsara rehetra” (2 Tesaloniana 2:16-17).