Alahady 28 Jona 2020

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy. 2 Korintiana 5:12

 

Tsy hisy mihitsy intsony anie izany !

Izany no nosoratana mpihira iray, nahare fa nisy olona namono tovolahy roa. Izany koa no fanamarihana fandre aorianana vono olona feno herisetra. Fahoriana lalina moa izany, ho an’ny fianakaviana voakasika toejavatra toy izany ; ary firifiry moa ny tranga mampihoron-koditra ka rariny raha manafintohina antsika ! Ahoana no ahavitana manao zavatra toa izany ? Io no fanontaniana matetika mipetraka.

Ny Baiboly dia mampianatra antsika fa tsy androany tsy akory vao nisy herisetra : ny vono olona voalohany dia ny namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny (Genesisy 4:8). Tatỳ aoriana, talohan’ny safodrano, “ny tany… (dia) heni-doza” (Genesisy 6:11), ary ahariharin’ny tantaran’ny zanak’olombelona fa tsy niova izany mandraka ankehitriny. Hazavain’Andriamanitra amintsika fa ao amin’ny toetrantsika no misy ny fototry ny olana. Tsy nankatò an’Andriamanitra ny olona, ka tafasaraka taminy ary nanjary nanana fironana mahatsiravina hanao ny ratsy : “Ny tongony mimaona handatsa-dra ; fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany” (Romana 3:15-16).

Samy mahavita izay ratsy indrindra isika rehetra, na dia miaina ao anaty tontolo faran’izay tsara aza. Mila fanovana ny fontsika. Ary azo atao izany, satria Andriamanitra dia mamela ny fahadisoan’izay miaiky izany sy mino an’i Jesosy. Mampisy fiovana izany : mahatonga “fahateraham-baovao”. Izany no fiandohana fiainam-baovao, ny fiainana mandrakizay, ho an’izay mandray an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy. Tsy hoe miova tsy akory ny tontolo manodidina azy, fa izy kosa, manomboka hatreo, dia “ao amin’i Kristy”, manjary fahariana vaovao. Ary ny fiovany dia lehibe lavitra noho izay ho niseho raha niova izao tontolo rehetra izao. Koa lalana toy inona tokoa moa no misokatra eo anoloany ! Hoavy toa inona tokoa !