Asabotsy 27 Jona 2020
Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ... ianao. 2 Timoty 1:7, 8
Isaky ny efa-taona dia misy seho ara-panatanjahantena mahasarika ny sain’olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao. Tamin’ny 30 jona 2002, tany Yokohama (Japon), dia feno hipoka ny kianja : dingana farany iadiana ny ho tompon-daka maneran-tany amin’ny baolina kitra no natao tamin’izay. Nandresy ny ekipa breziliana, hitan’ireo mpijery mivantana feno hafanam-po sy ireo mpijery fahitalavitra. Nohobiana ireo mpilalao niangona teo afovoan’ny kianja, no indro, nisy iray tamin’izy ireo nihataka tamin’ny namany ka nampiditra akanjo ambony nisy ny soratra hoe : “I belong to Jesus”, izany hoe, amin’ny teny malagasy : “An’i Jesosy aho”.
Igagantsika ny herim-pon’io lehilahy io, nanomana ny zavatra rehetra mba hahafahany manambara amin’izao tontolo izao ny finoany an’i Jesosy Kristy. Tamin’ny alalany, araka izany, dia nataon’Andriamanitra hitan’olona an-tapitrisany izany fijoroana ho vavolombelona izany ; ary Izy irery no mahafantatra ny vokatr’izany.
Isika rehetra angamba tsy hahita fotoana tandrify hanaovana fijoroana ho vavolombelona goavana toy izany. Nefa raha an’i Jesosy isika dia mpianany, ka taomina haneho izany eo amin’ny manodidina antsika, amin’ny fihetsika, fiteny, fiasa… Inona no mba fantatr’ireo mpiara-monina amintsika, mpiara-miasa, namana, momba ny finoantsika ? Tsy mety ny mampiseho tsy am-piheverana ny maha kristiana. Nefa kosa tsy tokony hisalasala ny hijoro ho vavolombelona, rehefa misy fotoana mahamety anaovana izany. Ny apostoly Paoly, tao anatin’ny sambo nitondra azy ho gadra any Roma, dia nisaotra an’Andriamanitra talohan’ny hisakafoany, teo anatrehan’ireo olona 275 niara-dia taminy (Asan’ny Apostoly 27:35-37). Izy koa no nanoratra hoe : “Tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany” (Romana 1:16).