Zoma 26 Jona 2020
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany ; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny ataontsika. Hebreo 4:13
Ny fahotako nambarako taminao... Hoy izaho : Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho ;
Ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako. Salamo 32:5
Misy tranonkalam-pifandraisana internet iray nanolotra fampihaonana ireo mpikirakira, ary nihambo hiantoka tanteraka ny tsiambaratelon’izany… mandra-panimbana jiolahy mpitsikilo io tambazotra io. Tampoka teo dia naharihary ampahibemaso ny anarana, nomeraon’ny kaonty any amin’ny banky, ary ny hafatra tsiambaratelo nalefan’ireo mpikambana tao amin’ilay tambazotra.
Mazava ho azy fa nampidi-kizo izany tsiambaratelo naboraka izany, ary angamba aza nanapotika ny fiainan’ireo olona ireo mihitsy. Izany dia mampahatsiahy antsika fampahafantarana tsiambaratelo iray hafa, fampahafantarana feno sy manetriketrika lavitra kokoa. Ambaran’ny Baiboly antsika tokoa mantsy fa tsy maintsy hiseho eo anatrehan’Andriamanitra avokoa isika rehetra. Amin’izay andro izay dia haseho miharihary izay rehetra nataontsika. “Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy” (Mpitoriteny 12:14). Ny olombelona no hay fitahina, fa Andriamanitra kosa tsy ho voafitaka na oviana na oviana. Fantany ny fianantsika manontolo. “Moa misy olona mahafin-tena ao amin’ny fierena va, ka tsy ho hitako ?”, hoy Izy (Jeremia 23:24).
Manao ahoana ny fiainantsika eto amin’ity tontolo ity ? Manandrana mifetsifetsy ve ? manandrana mamitaka ny hafa, miafina, manadino an’Andriamanitra mba hisorohana ny fanakianan’ny fieritreretana ? “Izay manafina ny fahotany, tsy hambinina ; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo” (Ohabolana 28:13). Andriamanitra dia mamela heloka izay miaiky aminy ireo fahadisoany sy mino fa Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia nisolo toerana azy ka nizaka ny famaizana tokony ho nihatra taminy.