Alakamisy 25 Jona 2020
(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28
Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20
Ny hoe mibebaka dia ny mihodina tanteraka amin’ny fihevitra sy amin’ny zavatra natao teo aloha. Izany no nitranga tamina mpanampy ny filoha Nixon iray. Taorianan’ilay raharaha nahamenatra mikasika asa fitsikilovana, dia nanomboka nanova fijery ny fiainany izy, ka namaky boky iray mikasika ny finoana kristiana, nomena namany azy. Hoy izy mitantara :
« Fantatro fa tonga ny fotoanako… Tsy maintsy raisiko tsy misy fepetra Jesosy Kristy ho Tompon’ny fiainako. Toy ny vavahady teo anoloako izany ; tsy haiko hihodinana tsy hidirana. Tsy maintsy niditra aho, na nijanona tany ivelany ». Taoriana ady anaty naharitra ela io mpiara-miasa tamin’ny filoha amerikana io dia nahatsapa fa mendrika ny fanoavany tanteraka Jesosy Kristy. Nilavo lefona izy ka niteny hoe : “Ry Jesosy Tompo, mino Anao aho. Mandray Anao aho. Miangavy Anao aho, mba midira eo amin’ny fiainako. Atokako ho Anao irery ny fiainako.” Dia hitany fa tao amin’izany fifandraisana manokana amin’i Jesosy Kristy izany no misy ny valin’ireo fanontaniana napetrany tamin’ny tenany, toy ny hoe : “Nahoana aho no misy ?”, “Ho aiza aho ?”.
Rehefa mahafantatra an’i Jesosy ho Mpamonjintsika manokana isika, no afaka manana fifandraisana tena akaiky aminy. Jesosy Kristy no mameno ny banga ao anatintsika, mameno antsika amin’ny fiadanany, ary manome antsika antom-pahavelomana. Ary koa, rehefa mandray Azy ho Tompon’ny fiainantsika isika, no mahazo valin’ireo filantsika fitiavana sy fiadanana ao anatintsika lalina indrindra ao. Na iza ianao na iza, dia tia anao Jesosy ary manasa anao hanana izany fifandraisana manokana aminy izany.