Alarobia 24 Jona 2020
Fa ao aminao (Andriamanitra ô) no misy loharanon’aina ; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana. Salamo 36:9
Izy (Ny Teny) no nisiam-piainana ; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. Jaona 1:4
Vao teraka ny zaza iray : mitolagaga ny ray aman-dreniny amin’ireo tsikiny voalohany, avy eo amin’ny fihetsiny miha fantatra mazava kokoa, ary isaky ny misy fivoarany vaovao… Ireo raibe sy renibe koa dia ravo, ary mijery am-pitiavana ilay zazakely. Migaga izy ireo mahita ny fijeriny, ny fibadabadany, ny fisokafany amin’ny fiainana, ary ny faniriany hamantatra ny tontolo manodidina azy. « Liana hiaina izy », hoy ity reniben’ankizy manana zafikely 23.
Tsy nisy tamintsika, na iray aza, nisafidy ny ho tonga manana aina. Nomena antsika ny aina. Ny aiko dia avy amin’ny ray aman-dreniko, ny ain’ny ray aman-dreniko dia avy tamin’ny raibe sy renibeko, dia toy izany hatrany… Fa indrindra, ny aiko dia avy amin’Andriamanitra.
Hevi-dehibe izany ! Avy amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fitiavany no nisiako. Tsy zava-baovao tsy akory ny fiainako eto an-tany. Teraka aho, toy ny entina ao anatina onin’aina mikoriana avy any amin’ny loharanony, dia Andriamanitra mihitsy, Izay manome ny aina.
Nefa rehefa milaza ny Baiboly hoe tao amin’ny Teny ny aina, dia mampahatsiany zavatra mihoatra noho ny fiainana ara-batana, miresaka ny fiainana ara-panahy. Satria mantsy ny hoe miaina dia tsy milaza fisiana fotsiny, fa koa tena fifandraisana am-pitokiana amin’Andriamanitra. “(Ny) fiainana mandrakizay —hoy Jesosy— dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao” (Jaona 17:3). Izany fifandraisana amin’Andriamanitra Raiko izany no ahatakarako ny tena dikan’ny fiainako, satria Izy dia mampianatra ahy, mitondra fanazavana ao anatiko momba ny manodidina ahy, momba ny tsara sy ny ratsy, momba ny fifaliana sy ny fijaliana. Dia afaka mijoro ho vavolombelona ny kristiana, milaza fa ny atao hoe miaina dia hoe : tonga eo amin’ny “fahazavana mahagaga” nentin’i Jesosy Kristy (1 Petera 2:9).