Talata 23 Jona 2020

Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohaina ianareo. Lioka 11:9

Ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra. Marka 10:27

 

Afaka mangataka amiko izay tianao ianao

Ny emperora Alexandre Lehibe hono dia te hamaly soa ny iray tamin’ireo olony, izay nanao zava-dehibe ho azy. Hoy izy taminy : « Afaka mangataka amiko izay tianao ianao ». Noraisin’ilay lehilahy tamin’ny teniny izy, ka novaliany hoe : « Vola volamena 10.000 ».

Taitra ny mpitahiry volan’ny emperora, ka nandà tsy handoa izany. Nampandre ilay andriamanjaka izy ; naharitra nihaino azy ny emperora, nefa avy eo dia nibaiko azy hanome ilay vola nangatahina, sady nanamarika hoe : « Nanome voninahitra ahy ralehilahy io, tamin’ny ninoany ny teniko ».

Izany tantara izany dia mampahatsiaro antsika hoe inona moa ny vavaka, ho an’ny kristiana. Ny vavaka dia manondro ny fatran’ny finoany an’Andriamanitra sy ny fatran’ny fatokiany Azy. Taomina ny mpino hangataka am-pahatsorana amin’Andriamanitra, araka izay ilainy, toy ny zaza miresaka amin-drainy. Resahin’ny mpino amin’Andriamanitra araka ny fisehony ny toe-javatra. Miantehitra fotsiny amin’ny fampanantenan’Ilay Rainy any an-danitra izy, fampanantenana hitany ao amin’ny Teniny. Fantany fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa azy (Romana 8:28).

Mihevitra antsika tsirairay Andriamanitra, satria tia antsika. Mba tiany raha miantso Azy amin’ny vavaka isika, amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika. Voafafifafy zava-manahirana ny fiainantsika. Iza no mba hiresahana azy ireny ? Tombontsoa manokana ny fananantsika Ray any an-danitra Izay mihaino antsika sy vonona hanome antsika mihoatra noho izay angatahintsika sy heverintsika, araka ny fahendreny. Tsy voafetra Izy, ka aza misalasala manome voninahitra Azy, amin’ny fanokafantsika ny fontsika aminy. Ekeo koa ny valiny omeny, izay mikendry mandrakariva hanasoa antsika.