Alatsinainy 22 Jona 2020

Tsy fantatrao va ... fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, Izay namorona ny faran’ny tany ? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy ; tsy takatry ny saina ny fahalalany. Isaia 40:28

Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony. Romana 1:20

 

Ny fikasan’Ilay Mpahary

« Te hahafantatra ireo fihevitr’Andriamanitra aho ; ny ankoatr’izany dia tsipirian-javatra fotsiny », hoy i Albert Einstein indray andro, tamina mpianany iray.

Ny fandinihany izao tontolo rehetra izao dia nampahafantatra an’ity manam-pahaizana tsy manam-paharoa ity ny firindrana sy saina mibaiko ny lalàna mifehy izao tontolo rehetra izao. Tsy nino ny kisendrasendra i Einstein, fa nino Andriamanitra Mpahary. Koa niezaka izy hahafantatra ny hevitra fototra na ny fikasan’Ilay nametraka firindrana toy izany.

Tahaka io manam-pahaizana io, dia ndao isika hanontany tena hoe inona moa no tanjona katsahin’Andriamanitra eo amin’ny fahariana, izay sangan’asany lavorary, ary anisan’izany isika. Angamba tsy hahay hanome valiny tsara kokoa noho i Einstein isika. Nefa ny fanontaniana manan-danja sy maika indrindra dia hoe : inona no sitrapon’Andriamanitra momba ahy ? Mazava ny lazain’ny Baiboly : ny fikasan’Andriamanitra dia ny hifandray akaiky amin’ny olona noarìny. Taomina ny tsirairay hahafantatra Azy, tsy amin’ny maha Mpahary Azy fotsiny, fa koa amin’ny maha Andriamanitra te hanafaka ny olona very Azy. Nomeny Jesosy Kristy Zanany mba hamonjy ireo izay manaiky fa very. Tonga tetỳ an-tany Jesosy mba hampahafantatra fa Ilay nanao izao tontolo rehetra izao dia Ilay Andriamanitra Mpamonjy koa : ny fitiavany dia mitaona ny olona tsirairay hanatona Azy.

Andriamanitra tsy hoe nahary anao mba tsy hiraharaha anao rehefa avy eo. Fantany ny olona tsirairay. Izy ve tsy nahary ny olona ho tahaka ny tarehiny (Genesisy 5:1) ?

Zava-manan-danja ho anao ny fihevitr’Andriamanitra, tsy azo lavina izany. Minoa an’i Jesosy Kristy ; maty Izy mba hamonjy anao ho afaka amin’ny fanamelohana mandrakizay.