Alahady 21 Jona 2020
(Hoy ny mpianatra sasany tamin’i Tomasy :) Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy : Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ny holatry ny nohomboana ny rantsantànako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho. Jaona 20:25
Ny alahady nitsanganany tamin’ny maty, Jesosy dia niseho tamin’ny mpianany tafavory tao amina efitrano mitokana. Tsy teo anefa i Tomasy, ka nisalasala mafy rehefa nitantaran’ireo namany hoe nahita an’i Jesosy izy ireo. Te hahita maso mihitsy izy. Niverina teo indray Jesosy ny alahady manaraka, ary tamin’io fotoana io dia teo koa i Tomasy. Niteny taminy Jesosy hoe : “Atehefo eto ny rantsantànanao, ka jereo ny tànako ; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy eto amin’ny lanivoako ; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa” (Jaona 20:27).
Voamarikao ve fa tena voafaritra mazava ny valintenin’i Jesosy ? Novaliany tsirairay ny fanontanian’i Tomasy : mijery ny tanany, mametraka ny tanany eo amin’ny diam-pantsika, ary mametraka ny tanany eo amin’ny lanivoany. Namaly marina tsara Jesosy, toy ny hoe nandre ireo fisalasalana rehetra notenenin’i Tomasy fony tsy teo Jesosy. Raha ny marina, na dia tsy hita ara-batana teo aza Jesosy, dia teo tokoa, satria Andriamanitra manerana ny toerana rehetra Izy, mahare ny zavatra rehetra, ary mahafantatra ny zavatra rehetra. Nandresy lahatra tanteraka an’i Tomasy ny valintenin’i Jesosy. Ka hoy izy nihiaka : “Tompoko sy Andriamanitro ! ” (Jaona 20:28).
Ankehitriny Jesosy dia tsy eo ara-batana, kanefa mahafantatra izay rehetra eritreretintsika. Misy zavatra manahiran-tsaina antsika ve, na sarotra amintsika ny mino azy ? Apetraho aminy ny fanontaniantsika. Lazao tsotra aminy, amin’ny vavaka, izay toa tsy haintsika hinoana. Fantatr’i Jesosy ny ao anatintsika lalina ao, mahari-po Izy, ary hamaly antsika amin’ny fomba mahitsy sy tandrify antsika, amin’ny alalan’ny Baiboly, sy amin’ny fomba maro samihafa. Raha mihaino tsara ny valinteny omeny isika, dia ho hainy ny mandresy lahatra antsika.