Asabotsy 20 Jona 2020
Nisy vehivavy Kananita anankiray ... niantso nanao hoe : Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô ! ny zanako vavy ampahorin’ny demonia loatra... Tompoko ô, vonjeo aho... Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe : Ravehivavy, lehibe ny finoanao ; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izay ora izay. Matio 15:21-28
Nitalaho tamin’i Jesosy ity vehivavy iray, mba hanasitranany ny zanany vavy voagejana demonia. Tsy namaly azy aloha Jesosy, satria io vehivavy io tsy anisan’ny Israely, ilay vahoakan’Andriamanitra nanirahana Azy. Nikiry ihany ilay vehivavy, ka sorena ireo mpianatra ary te handroaka azy.
Jesosy koa anefa mbola tsy namaly azy ihany. Ho kivy ve izy ka hiala ? Tsia dia tsia ! Nitalaho fatratra izy. Dia tsy hangoraka azy ve Jesosy ? Nangoraka Izy, ka namaly, rehefa ela ny ela. Nefa hay kapoka farany, toy ny hanaperana aina, no navalin’i Jesosy : ilay vehivavy, izay olona hafa firenena, dia nohariny tamina alika tsy omena ny mofon-jaza ! Koa tsy nandà ilay vehivavy, naka izany toerana manambany izany, ary namaly hoe : izany tokoa no izy, ary ny alika dia mba mihinana ny sombintsombin’ny mofon-jaza ihany, farafaharatsiny. Nandresy izy, ary hoy Jesosy taminy : “Ravehivavy, lehibe ny finoanao”. Dia sitrana ny zanany vavy.
Manaitra antsika ihany ny fihetsik’i Jesosy, ary manafintohina mihitsy aza. Nefa fantany tsara izay ataony. Tsy araka ny fijery etỳ ivelany, fa tsy manambany ity vehivavy hafa firenena ity tsy akory Izy ; tiany ny hampiharihary ny finoany. Toa ninia tsy nahafantatra na toa nanilika azy aloha Jesosy, kanefa tsy hamela azy handeha diso fanantenana ! Notarihiny io vehivavy io mba tsy hangataka afa-tsy ny fahasoavan’Andriamanitra. Niaiky izy fa tsy nanana zo hahazo na inona na inona. Koa dia natao ho azy indrindra izany ny fitiavan’i Jesosy, fitiavana tsy misy fepetra !
Ry kristiana, mitsapa mafy ny finoanao ve Jesosy ? Toa tsy mamaly na toa tsy mihevitra anao ve Izy ? Aza matahotra mihitsy, manohy mangataka. Raha tsy mendrika ny hahazo na inona na inona ianao, dia natao ho anao indrindra ny fahasoavan’i Jesosy, izay maro endrika sady be dia be.
Ary tsy misy olona mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra ka tsy hahazo valiny !