Zoma 19 Jona 2020

Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 16:20

 

Efa resy ny devoly (2)

Satana dia tsy afaka nanao na inona na inona tamin’i Jesosy. Nivoaka ho mpandresy Jesosy, tamin’ilay fakana fanahy mampihoron-koditra tany an-taniefitra (Matio 4:1-11). Tsy nisy hirika, na kely aza, nahafahan’ny devoly nikasika Azy. Taloha kelin’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia hoy Izy tamin’ny ireo mpianany : “Avy ny andrianan’izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy” (Jaona 14:30). Tsy fandresen’i Satana tsy akory ny nahafatesan’i Jesosy, fa mifanohitra amin’izany aza : tamin’ny fahafatesany no nandringanan’i Kristy “ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly” (Hebreo 2:14). Ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty dia fandreseny an’i Satana sy ireo anjeliny (vakio ny Kolosiana 2:15).

Na dia efa resy aza i Satana, dia mbola avelan’Andriamanitra hiasa ihany, kanefa tsy haharitra izany. Mandritra ny “fanjakana arivo taona”, izay hanjakan’i Kristy etỳ an-tany, dia hofatorana i Satana “mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony”. Aorianan’izany dia hovahana vetivety izy, ka hitarika fikomiana iray farany (Apokalypsy 20:2-3, 7). Ny “afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny”, no ho anjarany mandrakizay (Matio 25:41 ; Apokalypsy 20:10).

Ry kristiana, mety hanafika antsika Satana, nefa afaka manohitra azy isika, satria “fantatsika ny hafetseny” (Jakoba 4:7 ; 2 Korintiana 2:11), ary manana ny fiadiana ara-panahy efa nomen’Andriamanitra antsika isika, amin’ny alalan’ny Teniny (Efesiana 6:11). Ary indrindra, isika dia afaka miantehitra amin’ny vavaka ataon’Ilay Mpamonjy antsika, Izay niteny tamin’i Petera, indray andro, hoe : “Satana efa nilofo nitady anareo, hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao” (Lioka 22:31, 32).