Alakamisy 18 Jona 2020
Ny devoly manota hatramin’ny voalohany. Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly. 1 Jaona 3:8
Maro ny olona no tsy mino ny devoly, kanefa misy dia misy tokoa izy, ary eo manomboka amin’ny fiandohan’ny Baiboly ka hatramin’ny fiafarany ! Mpaminany roa ao amin’ny Testamenta Taloha no miresaka momba ny niandohany. Anjely nanana hery manokana izy taloha, “ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika, sady feno fahendrena no tena tsara tarehy … dia kerobima voahosotra (voafidy)” (Ezekiela 28:12, 14). Saingy nohajambain’ny avonavona izy, ka nanao anakampo hoe : “Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny sezafiandrianako” (Isaia 14:13). Noho izany dia nolotoin’Andriamanitra sy nariany avy tany amin’ny tendrombohiny izy (Ezekiela 28:16). Ankehitriny izy dia lehiben’ny anjely navarina niaraka taminy, lehiben’ilay “fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efesiana 6:12), kanefa miasa mafy eto an-tany mba hanao ny ratsy.
Hatramin’ny voalohany i Satana dia nanafika ny olona, nanosika an’i Adama sy Eva tsy hatoky intsony an’Andriamanitra (Genesisy 3). Nahomby tanteraka izy, nefa tamin’io fotoana io dia efa nahafantatra fa tsy ho tompon’ny teny farany izy, nahafantatra fa “hanorotoro ny lohany” ny “taranaky ny vehivavy”, izany hoe Jesosy Kristy (Genesisy 3:15). Nanomboka tamin’izay izy dia mandany ny androny “nizahazaha teny amin’ny tany… [sy] nivezivezy teny” (Joba 1:7 ; 2:2), ka miezaka, ao anatin’ny fetra apetrak’Andriamanitra, ny hisintona olona ho very hiaraka aminy. Mbola mitohy mandraka ankehitriny izany, ary mampitandrina antsika momba izany ny apostoly Petera hoe : “Mahonòna tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady izay harapany” (1 Petera 5:8).
Nefa ny kristiana dia tsy tokony hatahotra an’i Satana, satria efa resin’i Jesosy izy.
(hitohy rahampitso)