Alarobia 17 Jona 2020
Milaza ny isan’ny kintana Izy ; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny. Lehibe ny Tompontsika sady be hery ; tsy hita lany ny fahalalany. Salamo 147:4-5
Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Salamo 8:4
Niverina avy any an-tsekoly i Narindra, taitaitra erỳ : « Hoy ny mpampianatra anay hoe raha tahaka ny haben’ny voasary ny masoandro, dia ho tahaka ny voam-pasika bitika ny tany, mihodidina io voasary io any amin’ny 7 metatra. Ary izao tontolo rehetra izao dia ho lehibe lavitra noho ny tany manontolo ! » Nitolagaga i Narindra. Misy fanontaniana nampitebiteby azy anefa, ka napetrany tamin’ny rainy, nony hariva ny andro :
— Nahoana moa izao tontolo izao no midadasika, ary isika kely dia kely ?
— Narindra a, fahiny ny olona dia tsy nahafantatra hoe midadasika sy efa ela aoka izany izao tontolo rehetra izao, saingy mitolagaga izy nahita fa izao tontolo izao dia natao mba hahafahan’ny olona miaina ao. Dia indro izy ireo fa nieritreritra an’Andriamanitra, Izay namorona ny zavatra rehetra sy nanao izany mba hahasoa azy ireo. Ankehitriny ny mpahay siansa dia mahafantatra tsaratsara kokoa ny refy sy taonan’izao tontolo izao, mbamin’ny fihetsehan’ny kintana. Takany ny fihodin’ny tontoloben’ny masoandro, ary hitany fa raha misy ovaina, na dia singa iray monja aza, ao anatin’io tontolobe io (ny elanelan’ny tany sy ny masoandro, ohatra), dia tsy hisy aina intsony eto an-tany.
Mihoatra noho ny tany aloha, dia afaka mitolagaga isika noho ny fahalehibeazan’Andriamanitra sy ny fahendreny tsy hita lany. Lazain’ny Baiboly fa Izy dia fahalalana faratampony ary tsy misy taonany : mandrakizay Izy. Ny anarany dia hoe : IZAHO IZAY IZY. Lazain’ny Baiboly antsika koa fa Andriamanitra dia mihevitra ny olombelona noarìny ary te hahasambatra azy.
Mahita ampahany amin’ny fahalehibeazan’izao tontolo rehetra izao isika, ka ao anatin’ny fontsika ao dia mitodika amin’Andriamanitra, mba hilaza aminy hoe : “Mahagaga loatra ianao !” ary koa hoe : “Misaotra !”
(amin’ny heriny ny tohiny)