Talata 16 Jona 2020
Hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy ? hoy Jehovah. Jeremia 30:21
Hamindra fo aminy tokoa Aho. Jeremia 31:20
« Ny fiarahamonina, na ny atao ankilabao na tsia, dia tena mahantra ara-panahy, ary tsy manana fanafana afa-tsy poizina. Nihevitra hahita fomba hahafantarana ny mihoatra noho ny voa-janahary aho, tao amin’ny zava-mahadomelina : fanandramana fahitana, fivavahana hindoa, fiainana tsy voasaina, ary farany, fandosirana hatrany India. Dia niverina indray ny tebiteby, ny fikorontanan-tsaina tanteraka, ary izany rehetra izany dia fony aho mbola 20 taona. Lavitra aoka izany Andriamanitra. Nefa tsy izany ka ! Tena akaikiko indrindra Izy, ary nitady ahy. Nitondra Baiboly hatrany India aho, ary rehefa namaky azy, indray maraina, dia nanindrona ny tebitebiko sy ny foko, toy ny hoe nosoratana ho ahy manokana, ny tenin’Andriamanitra :
“Ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena (no onenako)… Niodina izy ka mbola nandroso tamin’ny làlana tian’ny fony ihany… nefa hahasitrana azy ihany (Aho), dia hitari-dàlana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy”.
Nanaitra ahy mafy io tenin’ny mpaminany Isaia io (57:15-18) : nampiharihary tamiko ny toe-pahaverezana nisy ahy, nefa nampahafantatra ahy koa ny fahasoavan’Andriamanitra. Tena nifanatrika taminy aho. Nanova tanteraka ny zava-drehetra, ho ahy, ny fanehoana ao amin’ny Testamenta Vaovao ny fitiavan’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra maty noho ny fahadisoako sy ny fahotako, ary nitsangana tamin’ny maty noho ny heriny tsitoha, mba hanamarina ahy.
Eny ! Niova tanteraka teo no ho eo aho : na fihevitra, na fomba fihetsika. Dia nomen’Andriamanitra ahy ny tena dikan’ny fiainako, ary nasehony tamiko ny tanjona nokendreny tamin’ny namoronany ahy. Mahatalanjona ! Ary lazaiko marina aminareo fa raha Andriamanitra no mitari-dalana, dia misinda ny tebiteby ary feno haingana ny banga. »
F. Genet