Alatsinainy 15 Jona 2020

Fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra. 2 Timoty 3:1, 2

Tsarovy Jesosy Kristy. 2 Timoty 2:8

 

Toejavatra sarotra

Ahoana moa no tsy hahitana fa amin’ny ankapobeny dia mitombo ny herisetra, ny kolikoly, ary miaraka amin’izany dia mitotongana ara-toe-panahy ny fiarahamonina ? Very hevitra sy mitebiteby ve isika ? Ny andinin-tSoratra Masina eo am-piandohan’ity takelaka ity dia mamaly ireo fanontaniana apetratsika momba ny fitomboan’ny ratsy. Isika ve izao tsy efa tonga eo amin’ireo fotoan-tsarotry ny andro farany ? Iza no tsy mahatsapa izao fitotonganana izao ? Nahoana no tsy misy mihetsika ny eo amin’ny fiarahamonina misy antsika ? Mbola ny Tenin’Andriamanitra ihany koa no mamaly : “Nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao (Satana)… ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra” (2 Korintiana 4:4).

Ry kristiana, mety handifotra antsika, indraindray, izany fitomboan’ny faharatsiana sy fankahalana izany. Aza kivy, satria ny fanantenantsika dia mifamatotra amin’i Jesosy Mpamonjy antsika, Izay efa nitsangana tamin’ny maty. Manana ny andraikitra ho vavolombelon’i Kristy isika, nefa afaka miaina am-piadanana raha mijery Azy, Izay ho avy haka antsika ho any an-danitra. Miharatsy izao tontolo izao, ary mihoatra noho izany aza, mizotra ho amin’ny fitsaran’Andriamanitra. Fa ny mpino kosa dia mahafantatra fa efa nanafaka azy ireo tamin’izany Jesosy, ary mbola hanala azy teto an-tany ka hampiditra azy hiaraka aminy ho mandrakizay any an-tranon’ny Ray.

Ry mpamaky, tsy te hampitahotra anao tsy akory izahay, fa te hilaza aminao kosa hoe Andriamanitra, Izay manameloka ny ratsy, dia tia ny mpanota. Efa nanomana lalana hivoahana ihany koa Izy, ho an’ny olona rehetra mino an’i Jesosy. Aza avela handalo fotsiny izany fara vonjy atolony maimaimpoana izany.