Alahady 14 Jona 2020
Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahoriantsika ; kanjo isika kosa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isaia 53:4-5
Nisy mpamily fiarakaretsaka niady hevitra tamina mpandeha kristiana iray nentiny, momba ny Mesian’ny Israely, Izay nambara any amin’ny Testamenta Taloha ny hiaviany. Nihevitra ilay mpamily fa tranga mbola andrasana io. Ilay kristiana kosa nanazava taminy fa efa tonga ny Mesia, dia Jesosy Kristy. Ary notoroiny hevitra ilay mpamily mba hampitaha ny Teny ao amin’ny Daniela 9:26* sy ny Isaia 53.
Rehefa tonga tany an-tranony ilay mpamily, dia namerina namaky ireo toko roa ao amin’ny Testamenta Taloha ireo. Araka ny voasoratra ao, dia tsy maintsy ho faty ny Mesia, alohan’ny haharava an’i Jerosalema. Rava tokoa ny tanàna, tamin’ny taona 70 taorianan’i Jesosy Kristy ; araka izany dia tonga talohan’io taona io ny Mesia. Nahaliana azy izany, ka nividy Testamenta Vaovao izy ary namaky izany.
Nahita sy niaina fijaliana maro io mpamily io, nandritra ny ady (ny ady lehibe Faharoa). Nahatonga azy tsy hiraika intsony izany, ka tsy mba nitomany izy nandritra ny taona maro. Nefa rehefa avy namaky ireo Teny izy dia hontsa tanteraka, ka nitomany tsy nahajanona. Nanjary takany fa tena tia ny Israely olony tokoa Andriamanitra, ka namela ny Zanany ho faty ho azy ireo sy ho an’ny olona hafa rehetra maneran-tany. Nanjary takany ny hevitry ny Filazantsara, dia ny vaovao mahafaly manambara ny famonjena. Faly izy nandray an’i Jesosy avy any Nazareta, Ilay Mesia, ho Mpamonjiny sy Tompony.
Nanomboka teo, ny resaka tiany indrindra atao amin’ny mpandeha entiny amin’ny fiarakaretsaka dia ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, fototra iorenan’ny fanantenantsika ho an’ny mandrakizay.
* Ary rehefa afaka ny roa amby enimpolo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana ; ary ny vahoakan’ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanàna sy ny fitoerana masina.