Asabotsy 13 Jona 2020

Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka. Isaia 50:4

 

Ny lelan’ny efa mahay

Angamba tsy hosokajiantsika ho “efa mahay” (efa tapi-pahaizana) ny olona mahay mampahery, manohana ary mampionona ny hafa. Mety hatokantsika io fiteny io hiantsoana ireo manana fanomezam-pahasoavana hampianatra ny foto-pampianarana na faminaniana ara-Baiboly. Ao amin’ny andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany anefa, dia tian’ny Fanahy Masina isika hisaina ny amin’ny tokony hitandremantsika manokana sy hananantsika fahendrena miavaka, rehefa hanatanjaka “ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy” (Hebreo 12:12).

Mampianatra antsika ny nataon’ireo telo lahy nanatona an’i Joba mba hampahery azy : tonga izy ireo, nanana ny heviny efa voaomana sy ny teniny efa voahevitra, saingy tsy nahay nahita ny teny mampitony. Nefa dia naman’i Joba izy ireo (Joba 2:11), ary nilazan’i Joba, nony farany, hoe : “Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra” (Joba 16:2).

Tsy any anaty boky no hianarantsika izany fitenin’ny efa mahay izany, fa amin’ny fanarahana ny ohatra asehon’ny Tompo Jesosy antsika ao amin’ireo filazantsara. Fitiavana, fanajana, halemem-panahy toa inona moa no nasehony, nahaizany nampahery ny mpianany, izay niha reraka sy feno fisalasalana ! Ndao hivavaka mba homeny toe-po tahaka ny Azy.

Tian’Andriamanitra hifanampy ny zanany. Izy no Ilay Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, “Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay” (2 Korintiana 1:3-4).