Zoma 12 Jona 2020
Fa fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony. 2 Korintiana 8:9
Ny fitahian’i Jehovah no mampanankarena. Ohabolana 10:22
« Tany am-piandohan’ny taonjato faha-20, lasa adala i Ernest noho ny toaka, ka namono nahafaty ilay mpiara-miasa taminy, izay tsy iza anefa fa ny namany akaiky indrindra. Nitsidika azy tany am-ponja ity mpitandrina iray, ary nanome azy Testamenta Vaovao, saingy tsy noraharahainy izany. Ny vadiny, izay kristiana, dia nampirisika azy hamaky izany, “mba hahitany ao ny famelan-keloka sy ny fiadanam-po”. Koa noho ny famindrampon’Andriamanitra, dia niposaka tao aminy ny fahazavana. Ary satria voaheloka ho faty izy, dia ny fahafatesana no niandry azy. Na izany aza anefa, dia naneho fahatoniana tanteraka izy, ka nahagaga ny mpiambina. Niova ho figadrana mandra-pahafaty ny saziny, ka nalefa tany amin’ny fonja any Guyane izy.
Ny mpiambina azy tany dia nijoro ho vavolombelon’ny fitondrantenany tsara sy ny fanampiana maro nataony tamin’ireo manodidina azy. Nitsiriritra azy ny namany, satria hita hoe sambatra tokoa izy. Fantatry ny rehetra fa mamaky ny Baiboliny isanandro izy, ary hararaotiny ny fotoana rehetra hampianarany sy hitoriany ny Filazantsara amin’ireo namana mpiray fonja aminy.
— Na izaho aza, mahatsiaro mandray zavatsoa avy amin’ity voafonja ity, hoy ilay mpitondra fivavahana, nangoraka azy ka niantso azy, indray andro, hoe : “Ry Ernest mahantra !”.
Hoy i Ernest namaly : — Aza atao hoe “mahantra” aho, ry Ingahy mpitandrina, fa ataovy hoe “manankarena”. Manankarena aho, hatramin’ny fotoana nanolorako ny foko ho an’Andriamanitra. Raha tsy hanana an’Andriamanitra intsony aho rehefa mivoaka ny fonja, dia aleoko mijanona ato am-ponja... Tatỳ aoriana dia hoy ilay mpitondra fivavahana :
— Mahalana aho no nahita fandresen’ny Filazantsara toy izany. »