Alakamisy 11 Jona 2020
... nampitenenany (nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao. Hebreo 1:2
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona. 1 Timoty 2:5
Blaise Pascal (1623-1662), matematisiana sady filôzôfa malaza, dia feno tebiteby sy sahiran-tsaina nandritra ny fotoana lava. Nitady fihavanana tamin’Andriamanitra izy, ka nahita izany rehefa namaky ny Baiboly.
Hazavainy ao amin’ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe « Pensées » (Eritreritra) ny fototra iorenan’ny fahazoany antoka sy ny fifaliany lalina. Mijoro ho vavolombelona matotra izy, hoe olona navotan’ny fahasoavan’Andriamanitra, noho ny asa nataon’i Kristy, ary miandry am-piadanana ny mandrakizay : « Manatsotra ny tanako any amin’Ilay Mpanafaka ahy (Jesosy) aho, Ilay nambara nandritra ny efatra arivo taona, ary tonga tetỳ an-tany mba hijaly sy ho faty ho ahy. Noho ny fahasoavany dia miandry am-piadanana ny fahafatesana aho, manantena ho tafaray aminy mandrakizay. Ary miaina am-pifaliana anefa aho, na ao anatin’ny zava-tsara tiany homena ahy, na ao anatin’ny zava-dratsy alefany ho ahy mba hahasoa ahy, ary ampianarany ahy hiaritra toy ny niaretany ».
Tononiny amin-kery sy am-paharesen-dahatra ny Soratra Masina, ilay fanambaran’Andriamanitra, mba hohazavain’ny Tenin’Andriamanitra ireo rehetra miahotra sy misalasala, ary indrindra ireo tsy miraharaha sy ireo tsy mino. Asongadin’i Pascal amin’ny teny fohy ny maha avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ny Soratra Masina : « Andriamanitra irery no milaza tsara ny momba an’Andriamanitra ». Ary ampiany hoe : « Tsy mahafantatra an’Andriamanitra isika, raha tsy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ; raha tsy eo io Mpanalalana io, dia foana izay rehetra mety ho fifandraisana amin’Andriamanitra. Raha tsy ny Soratra Masina, izay tsy miresaka afa-tsy Jesosy Kristy, dia tsy mahafantatra na inona na inona isika, ary tsy mahita afa-tsy haizina sy savorovoro momba ny maha Izy Azy an’Andriamanitra sy ny maha isika antsika ».
“Ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo. Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany.” (Jakoba 1:21, 22)