Alarobia 10 Jona 2020

Iza moa no nanao ny vavan’ny olona ? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba ? tsy Izaho Jehovah va ? Eksodosy 4:11

Ny Mpanao ny sofina va tsy handre ? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita ? Salamo 94:9

 

Iza no lehibe kokoa, ny olombelona sa Andriamanitra ? (2)

Nanatitra ny mpiara-miasa amiko tany amin’ny gara aho. Nanahirana ny fifamoivoizana ka naharitra ny lalana. Niresaka momba an’Andriamanitra izahay, satria samy mino Azy. Saingy tsy mitovy ny fomba finoana : izy dia mihevitra an’Andriamanitra ho hery fiandohana midadasika fotsiny, ary izaho kosa mahalala Ilay Andriamanitry ny Baiboly, Izay marina fa tsy misy fetra amin’ny heriny, kanefa koa manana ny maha Izy Azy manokana… Rehefa avy nametraka ny fiara izahay dia nandeha maimaika, nitondra ny entana teny an-tananay. Nanontaniako izy hoe :

— Inona moa no fototry ny fahalehibeazan’ny olombelona ?

— Ny faharanitan-tsainy sy ny fahaizany manavaka ny tsara sy ny ratsy, hoy izy namaly avy hatrany.

— Dia tsy hekenao ve fa ananan’Andriamanitra ihany koa ny fototry ny fahalehibeazan’ny olombelona ? Fa iza moa no lehibe kokoa : Andriamanitra sa ny olombelona ?

Tonga teo amin’ny sisin’ny lalamby izahay, ka niakatra haingana tao anaty fiarandalamby ilay mpiara-miasa amiko. Nikatona ny varavarana rehefa namaly izy hoe : — Andriamanitra no lehibe indrindra !

Izany tokoa, Andriamanitra dia lehibe noho ny olombelona. Izy no nanao antsika, fa tsy ny mifamadika amin’izany tsy akory (Salamo 95:6). Nanao ny olona araka ny endriny Andriamanitra ; nomeny faharanitan-tsaina isika, nomeny fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy, nomeny toetra mampiavaka antsika. Nefa Andriamanitra dia manana izany rehetra izany amin’ny fomba lehibe sy avo indrindra : “Tsy hita lany ny fahalalany” (Salamo 147:5). Niteny tamin’ny fomba maro Andriamanitra, Izy no Ilay maneho ny tenany. Izy no Andriamanitra mahatsiaro ny zavatra rehetra, mitadidy ny zavatra rehetra ary mahalala ny zavatra rehetra. Manerana ny toerana rehetra Izy, ary ambonin’ny zavatra rehetra. Mety hanindry antsika ny fieritreretana izany rehetra izany, kanefa asehon’ny Baiboly antsika fa Andriamanitra dia tia antsika, ary nanome antsika izay sarobidy indrindra taminy, dia ny Zanany mihitsy.

(amin’ny heriny ny tohiny)