Talata 9 Jona 2020

Kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo ? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Jakoba 4:14

Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo. Hebreo 3:8

 

Misaotra, ry Andriamanitro, fa tsy omaly izao no nitranga

Zanaka renim-pianakaviana kristiana i Mary, ary tsy mba niraika teo amin’ny fiainana. Indray hariva, tany Londra (any Angletera), dia nandalo teo anoloana efitrano nanambarana ny Filazantsara izy, ary nisy vehivavy kristiana antsoina hoe Sheila, nanasa azy hiditra. Hoy izy namaly :

— Amin’ny manaraka e ; tsy nitondra Baiboly aho.

Natolotr’i Sheila azy ny Baiboliny. Resy lahatra i Mary ka niditra. Nitsatoka tao am-pony ny hafatra. Dia iny fa nitomany izy, niaiky ny fahotany tamin’i Jesosy ka nahita fiadanam-po, noho ny finoana Azy. Talohan’ny hodiany i Mary dia saika hamerina ilay Baiboly tamin’i Sheila, saingy nandà i Sheila. Nanoratra teny fohy ho an’i Mary tao anatin’ilay Baiboly izy, ary nanome izany ho azy.

Io hariva io ihany dia nanoratra ho an’ny reniny i Mary, nilaza taminy fa niova fo. Ny ampitso maraina izy dia niharan-doza mahatsiravina. Nentina haingana tany amin’ny hôpitaly izy, ary nanontany ny dokotera mpandidy hoe :

— Ho tafavoaka amin’izao ve aho, Dokotera ?

— Tsia, hoy izy namaly nivantana.

Nahatsapa ny halehiben’ny fahavoazany i Mary, ka tamin’iny niala tsikelikely iny ny ainy, dia mbola nanana hery kely ihany izy hanandratana ny tanany ho fiderana, ary niantso hoe : « Misaotra, ry Andriamanitro, fa tsy omaly izao no nitranga ».

Omaly izy dia mbola tsy nanahy na inona na inona, ary very. Androany kosa izy dia lasa tam-piadanana any amin’ny Mpamonjiny.

Mpandeha matetika ao amin’io hôpitaly io i Sheila. Niantso tamin’ny finday izy tamin’io andro io, dia nilazana fa nahitana Baiboly misy ny anarany teo anilana farafara iray. Nihetsi-po izy nahita fa ilay Baiboliny natolony an’i Mary omaly io.

Ry mpamaky, miteny aminao Andriamanitra androany. Mitady anao Izy, ary mahari-po. Aza sahisahy manemotra ny fanapahan-kevitrao ho rahampitso !