Alatsinainy 8 Jona 2020

Indro, ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena. 2 Korintiana 6:2

 

Fantatrao ve ny atao hoe mangataka andro ?

Ny hoe mangataka andro dia ny manemotra ho any aoriana izay azo atao androtrio. Mety hampidi-doza izany fironana izany. Manemotra ny fotoana hamerenan-desona ho amin’ny fanadinana, manemotra ny fanambaran-ketra, manemotra ny fandoavana faktiora tokony haloa, manemotra ny fanatonana mpitsabo rehefa marary, izany rehetra izany dia mety hiteraka voka-dratsy avokoa. Ny hakamoana, ny tsy faharisihana, na koa ny tsy fahatapahan-kevitra, mahatonga antsika hanemotra ho ampitso ny zavatra maika, dia mety hiteraka fahavoazana lehibe ho antsika.

Nefa misy sehatra iray mbola mampidi-doza lehibe lavitra, raha toa isika manemotra ho ampitso ny fanapahan-kevitra tokony horaisintsika. Izany dia momba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, satria io no mamaritra ny hoavintsika mandrakizay. Resaka iankinan’aina izany. “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao” (Deoteronomia 30:19). Eto, ny hoe fahafatesana dia ny tsy fisian’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, sy ny fiandrasana ny fitsarana aorianan’ny fahafatesan’ny vatana. Ny hoe fiainana kosa dia ny fifandraisana azontsika ananana amin’Andriamanitra, dieny ankehitriny ary ho mandrakizay, noho ny famelana ny fahadisoantsika. Manota isanandro isika, ary ny ran’i Jesosy Kristy ihany, izay nalatsaka ho antsika teo amin’ny hazofijaliana, no afaka mamafa ny fahotana. Ny finoana Azy no ahazoantsika famelan-keloka. Taomin’Andriamanitra isika hisafidy ny fiainana, ary ampirisihiny handray fanapahan-kevitra haingana. Mandalo sy marefo ny fiainantsika, ka tsy tokony hanemotra ny safidintsika isika. Miankina amin’io safidy io ny hoavintsika mandrakizay. “Anio, raha hihaino ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo” (Hebreo 3:8). Mety ho tara loatra raha rahampitso.