Alahady 7 Jona 2020

Ary rehefa tonga teo amin’ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany. Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Lioka 23:33-34

 

Ny fitiavana mandroaka ny fankahalana

« Ny haizina tsy afaka mandroaka ny haizina, fa ny hazavana ihany no afaka manao izany. Ny fankahalana tsy afaka mandroaka ny fankahalana, fa ny fitiavana ihany no afaka manao izany ». Mampandini-tena antsika ireo tenin’i Martin Luther King ireo. Hitantsika ny lainga mamaly ny lainga, ny fankahalana mamaly ny fankahalana, ny herisetra mamaly ny herisetra ; tsy ho mety kokoa ve ny mampihatra ireo foto-kevitra voalaza eo ambony ireo ? Nefa iza no mahay manatanteraka izany ? Iza no mahay mitia ny fahavalony ? Olona iray ihany no mbola afaka niresaka fitiavana sy famelan-keloka, nefa nohelohina tsy ara-drariny, ary nampiaretan’ny fahavalony fijaliana lozan-tany. Jesosy Kristy io olona io.

Nandritra ny fiainany manontolo Izy dia nampianatra ny vahoaka hoe : “Tiava ny fahavalonareo ; manaova soa amin’izay mankahala anareo ; misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray ; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza… Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa” (Lioka 6:27-31). Tsy hoe nampianatra fotsiny Izy, fa tena nampihatra mihitsy ireo teny ireo. Voaheloka ho faty tsy ara-drariny Izy, ka niaritra fijaliana tsy hay lazaina, nohomboana teo amina hazofijaliana ; nefa dia nivavaka mba hahazoan’ireo mpampijaly Azy famelan-keloka.

Ny fahotantsika dia faniratsirana an’Andriamanitra. Nefa atolotra ho an’ny olona rehetra ny famelan-keloka sy ny ain’Andriamanitra. Tsapantsika ve fa ilaina ny hoe vita fihavanana amin’Andriamanitra ? Jesosy Kristy dia efa nanao izay rehetra nilaina hahatanteraka izany. Ampy ho an’ny tsirairay ny mino Azy.