Asabotsy 6 Jona 2020

(Hoy Jesosy :) Mivavaha toy izao ianareo : Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Matio 6:9, 10

Izy (Jesosy) ... nivavaka hoe : Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao. Matio 26:42

 

Hatao anie ny sitraponao

Ao amin’ny vavaka antsoina hoe ny “Rainay Izay any an-danitra” (Matio 6) dia taomin’i Jesosy isika hangataka hoe : “Hatao anie ny sitraponao”. Rehefa mivavaka toy izany, dia tsy hoe miandry fotsiny ny hahatanteraka izay tian’Andriamanitra, fa mamaly ihany koa ny fitaoman’i Jesosy hamantatra io sitrapo io, sy hivavaka mba hahazo ny hery hanatanterahana izay asainy ataontsika.

Ao amin’ny Matio 26 dia Jesosy mihitsy no nanonona izany vavaka izany tao Getsemane, taloha kelin’ny hahafatesany : “Raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao”. Ny faniriana faratampony tao amin’i Jesosy dia ny hanao ny sitrapon’ny Rainy, na dia hiaretany fijaliana tsy misy fetra aza izany, mba hanonerany ny fahotantsika.

Rehefa mampianatra hivavaka Jesosy hoe : “Hatao anie ny sitraponao”, dia manasa antsika mba tsy hiandry fotsiny, fa vao mainka aza handray anjara amin’ny fanatanterahana ny drafitr’Andriamanitra eto an-tany sy eo amin’ny fiainantsika. Ny dingana voalohany amin’izany dia ny finoana ny Tompo Jesosy mba handraisana fiainam-baovao, fiainana mifaly amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Izany dia midika ho fahafoizana ny sitrapon’ny tena manokana, sitrapo misy fitiavan-tena sy fahalovana. Izany koa dia famaliana ny antson’ny Tompo manakoako ao amin’ny fieritreretantsika, sy fanarahana Azy mba hanao izay mahafaly Azy.

Ny hoe manaiky ny sitrapon’Andriamanitra dia ny mihaino sy manaiky ireo fiheviny, eo amin’ny fiainana, ary koa mikolokolo fifanakalozana aminy. Izany dia tena an’ny tsirairay manokana, iainana eo no ho eo, ao amina fifandraisana velona amin’Andriamanitra.

Hatao anie ny sitraponao ! Izany dia vokarina fikarohana tsy misy fitsaharany mihitsy, vokarina fikatsahana tarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva ao amin’ny fifankazarana amin’i Jesosy.