Zoma 5 Jona 2020
Maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony. Fa Jesosy tsy natoky azy. Jaona 2:23, 24
(Hoy Jesosy :) Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Jaona 5:24
Tamin’ilay fanoharana momba an’i Lazarosy sy ilay mpanankarena, dia nampiseho zavatra kely momba ny any ankoatra Jesosy (Lioka 16:19-31). Maty ilay mpanankarena, ary “nijaly tao amin’ny fiainan-tsy hita”. Nahatsapa izy fa ho mandrakizay ny fijaliany, ka dia naniry ny hampanirahana olona hampitandrina ireo rahalahiny dimy mbola velona tetỳ an-tany, mba tsy hahatongavan’izy ireo koa ao amin’io toerana mahatsiravina io.
Faran’izay matotra ny valinteny azony : “Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany izy ; aoka hihaino ireo izy”. Nisisika ihany ilay mpanankarena, kanefa nolazaina taminy fa izay olona tsy mino an’i “Mosesy sy ny mpaminany” (izany hoe ny Tenin’Andriamanitra, tamin’izany fotoana izany) dia tsy ho resy lahatra ihany koa na dia hisehoana olona “mitsangana amin’ny maty” aza !
Fandre indraindray ny hoe : “Mbola tsy nisy olona niverina avy any ankoatra…” Diso izany. Jesosy dia efa maty, kanefa nitsangana tamin’ny maty, ary niseho velona imbetsaka tamin’ireo izay nanaraka Azy (1 Korintiana 15:3-8). Niely hatraiza hatraiza ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Maro anefa ny mandà io tranga mahagaga hoe Jesosy nitsangana tamin’ny maty io. Efa ho 2000 taona izao dia mbola manohitra ny fahamarinana hatrany ny olona, na eo aza ireo porofo momba izany fitsanganana tamin’ny maty izany. Asehon’ireo olona ireo amin’izany fa tena mifanaraka amin’ny zava-misy tokoa ny fanoharana ao amin’ny Lioka 16.
Aza miandry porofo avy any ankoatra, na fahagagana miavaka, vao hino ny Tenin’Andriamanitra. Hentitra ny Baiboly : ny fanekena am-panetren-tena izay ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina ihany no afaka hitondra ho amin’ny famonjena. Ndao àry hamaky am-pinoana izany Teny izany, dia hazava tsara amintsika ny anjarantsika ho mandrakizay.