Alakamisy 4 Jona 2020
Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 8:38-39
Mitantara zava-nitranga manokana teo amin’ny fiainana maha kristiana azy ilay evanjelista antsoina hoe Donald Ross.
« Efa an-taonany maro aho no mpino, nanontanian’olona hoe : “Mbola tsy nisalasala mihitsy ny amin’ny finoanao ve ianao ? Mbola tsy natahotra mihitsy ve ianao hoe diso hevitra, mino fa an’i Kristy ho mandrakizay ?”
Hafahafa tamiko ny nametrahana izany fanontaniana izany, tamin’io fotoana io indrindra. Ny omaly harivan’io mantsy, teny an-dalana handeha hitory Filazantsara aho, dia toa nahare feo niteny tamiko hoe : « Donald, tena mpihatsaravelatsihy ianao ! Tsy voavonjy velively ianao ! » Nahatsiaro ho voadona mafy aho, ary nanontany tena hoe : Dia mety ho marina ve izany ? An-taonany maro aho no efa nitory an’i Kristy ; dia mety tsy ho voavonjy tokoa ve aho ? Teo no ho eo ihany dia nanampy ahy ny Tompo, ka afaka niteny aho hoe : « Misaotra Anao aho, ry Tompo. Tena voavonjy tokoa aho, satria Ianao dia maty teo amin’ny hazofijaliana ho an’ny mpihatsaravelatsihy koa. Samy raisinao araka ny toetrany avy ny olona rehetra ».
Tamin’io fotoana io dia nisinda ny fisalasalako. Tonga saina aho fa ny devoly, izay te hanaisotra ny fiadanana tato anatiko, no nanisika ireny fanontaniana niteraka fisalasalana ireny. Tsy mba avy amin’Andriamanitra na oviana na oviana ny eritreritra mampiditra fisalasalana. Izany no navaliko ilay olona niresaka tamiko. »
Io fijoroana ho vavolombelona io dia afaka hampahery ireo rehetra niaiky tan-kitsimpo tamin’Andriamanitra ny toetra maha mpanota azy ireo, nefa mbola misalasala ihany momba ny finoany. Mazava tsy misy toa azy ny andalan-tSoratra masina nomena androany, ary efa nitondra fiadanana ho ana mpino maro.