Alarobia 3 Jona 2020
Ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany ... ary efa notendreny ny fotoanandro ... mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy. Asan’ny Apostoly 17:26, 27
Rehefa manao fiofanana ny mpiara-miasa, mandritra ny fiainana araka asa, dia miverina ho liana hiady hevitra indray, toy ny fahiny fony mbola mpianatra. Nanatona ahy ity mpiara-miasa tamiko iray taloha, izay nahafantatra fa kristiana aho, ka nanontanitany ahy momba ny fisian’Andriamanitra. Nandritra ny taona maro izy dia tao amina vondrona iray mitolona ho an’ny fandavana ny fisian’Andriamanitra. Niala tao izy rehefa avy niady hevitra ela, hanaporofoana fa tsy misy Andriamanitra. « Tsy naharesy lahatra ahy ny tohan-kevitra naroso ; nihodinkodina teo fotsiny izahay », hoy izy tamiko.
Nanomboka tamin’io fifanakalozan-kevitra io dia takatro tsara kokoa fa tsy tanjon’ny Baiboly ny hanome porofo hoe misy Andriamanitra. Ny Baiboly dia maneho marina ny maha Izy Azy an’Andriamanitra. Voalohany indrindra, maneho ny tenany amin’ny olona Andriamanitra, ao amin’ny voary : fomba fiteny avy amin’Andriamanitra izany, teny miresaka amin-kery amintsika, momba Azy. “Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony” (Romana 1:20). Nampahafantatra ny tenany ihany koa Andriamanitra, tamin’ny alalana olona, dia ny mpaminany. Ary mihoatra lavitra noho izany rehetra izany, ny fanehoana faratampony dia izao : tonga tetỳ an-tany Andriamanitra, tao amin’ny tenan’ny Jesosy Zanany. Ny Baiboly no mirakitra ireo fanambarana rehetra avy amin’Andriamanitra ireo.
Ho azontsika atao ihany ny misaintsaina tsy misy farany ny fisian’Andriamanitra, fa ny finoantsika kosa dia tena mifoha marina rehefa mandinika izay ambaran’Andriamanitra amintsika isika, rehefa mihaino tsara ireo fanambarany, ka mandray tsotra fotsiny ny Teniny. “Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17).
(amin’ny heriny ny tohiny)