Talata 2 Jona 2020
Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany. Jakoba 4:17
Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy. Mpitoriteny 12:14
Ahoana no anavahana ny tsara amin’ny ratsy ? Nahoana moa no ratsy ny mangalatra ? Nahoana ny fihetsika sasany nomelohina taona vitsivitsy teo aloha, no manjary azo atao ankehitriny ? Tena zava-dehibe io resaka momba ny tsara sy ny ratsy io. Fony noforonina tao amin’ny saha Edena i Adama, dia tsy nahafantatra afa-tsy ny tsara, izany hoe ny mihaino an’Andriamanita sy mankatò Azy. Rehefa nandika ilay hany didy nomen’Andriamanitra azy izy, dia nanjary nahalala ny maha samy hafa ny tsara sy ny ratsy. Nifoha ny fieritreretany, nahatonga azy hahatsapa ny fahotany ; ka rehefa nanatona Andriamanitra, dia natahotra izy.
Rehefa tojo fanontaniana momba ny tsara sy ny ratsy ny olona tsirairay, dia asain’ny fieritreretany manao safidy ara-toe-panahy. Izaho ve hanao araka izay lazain’ny fieritreretako sa hanohitra izany ? Ao amin’ny Teniny, Andriamanitra Mpahary antsika dia manome soridalana azo antoka ho antsika. Matetika ny fiarahamonina tandrefana, izay mivahavaha, no miala amin’ny fandrarana sasantsasany sy mitsipaka sivana maro, ka manarontsarona izany amin’ny hoe fandeferana. Nefa na izany aza, dia tsy miova ny mari-pitsarana napetrak’Andriamanitra hanavahana ny tsara sy ny ratsy. Raisin’ny olona maro ho lany andro ny atao hoe ota, nefa asehon’ny Baiboly kosa ho fironana hanao ny ratsy, fironana miraikitra ao am-pon’ny olombelona.
Vitantsika ve ny miala amin’io fironana hanao ny ratsy io, mba hanao ny tsara ? Eny, Andriamanitra, Izay masina, dia efa nihevitra izany ka nanome antsika ny Zanany. Izy dia “natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:25). Izay mino Azy dia “nohamarinina”, natao ho marina, mba hanao ny tsara. “Ny vokatry ny Fanahy ... dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po” (Galatiana 5:22-23).