Alatsinainy 1 Jona 2020

Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (izay rehetra mino) noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 3:24

 

Famotsoran-keloka sy fahamarinana

Nisy filoham-pirenena iray nanome famotsoran-keloka ho ana vehivavy voaheloka satria namono olona. Niteraka resa-be izany fanapahan-kevitra izany. Nanakiana io “filoha tsy manaja ny rafi-pitsarana” io ny sendika iray an’ny mpitsara. Safidy sarotra, tsy ahitana vahaolana, io raharaha io. Azo ampifanarahana ve ny famotsoran-keloka sy ny fahamarinana ?

Tsy hain’ny olombelona atao izany, nefa nataon’Andriamanitra. Mpanota aho, naniratsira Ilay Mpahary ahy tamin’ny fomba maro, ka tokony nanefa ny trosako. Nefa tsy vitako izany, satria tsy ho ampy na ny vola faran’izay betsaka, na ny sazy an-tranomaizina lava indrindra. Ny fijalijaliana mandrakizay, lavitra an’Andriamanitra, no hany mendrika ahy. Koa nanolo-tena Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, mba hohelohina hisolo toerana ahy. Afaka nanao izany Izy, satria tsy nanana ota, tsy nanao na nisaina ratsy mihitsy, ka tsy manana trosa ho an’ny tenany. Nanao izany an-tsitrapo Izy, satria tia ahy ka te hamonjy ahy. Taloha kelin’ny hanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, tao Getsemane, dia noraisiny toy ny hoe Azy ny fahotantsika rehetra, ka nangorohoro fatratra Izy, nieritreritra ny famaizana tsy maintsy hiaretany, avy amin’Ilay Andriamanitra masina. Nefa tsy nahasakana Azy izany, fa nandeha hatramin’ny farany Izy, nitondra ny fahotako tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo (1 Petera 2:24). Ny fampijaliana nahazoako fihavanana no namelezana Azy (Isaia 53:5). Ary raha toa Andriamanitra mamela ny heloko, dia tsy hoe manao tsinontsinona ny fahamarinany tsy akory, fa satria aho mino hoe Jesosy efa niaritra ny famaizana sahaza ahy.