Alahady 31 Mey 2020
Niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo. Isaia 65:12
Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany, tamin’ny andro samihafa sy ny fanao samihafa, dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany. Hebreo 1:1, 2
Hatry ny ela ny manam-pahaizana ara-tsiansa no nandinika izao tontolo rehetra izao, mikaroka zavamananaina manan-tsaina. Any Porto Rico dia misy toeram-pitiliana goavambe manana fanintona onja (antenne), miendrika sahafa mirefy telonjato metatra mahery ny savaivony, natao hitiliana izay rehetra mety ho marika manambara aina any ana habakabaka. Efa nisy aza hafatra nalefa tany, narafitra ho voavakina mponina any ivelan’ny planeta Tany.
Nefa ve mba fantatsika fa nisy hafatra faran’izay manan-danja indrindra, avy any ankoatra any, tonga tetỳ an-tany ? Niteny imbetsaka tamin’ny zavaboariny Andriamanitra. Naniraka mpaminany Izy, hanambara ny teniny, saingy tsy nohenoina ireo. Koa Izy mihitsy no tonga tetỳ amintsika, tao amin’ny tenan’ny Zanany. Iza no mendrika kokoa noho Izy ? Toy ny mpandika teny, tsy maintsy mahafantatra fiteny roa mba ho afaka manatanteraka ny asany, dia toy izany koa, Ilay Zanak’Andriamanitra no ilay “Mpamangy avy any an-danitra”, nandray ny fomban’olombelona, mba handika ny fitenin’ny lanitra mba ho azontsika. Ilay Andriamanitra Zanaka dia nampahafantatra antsika Ilay Andriamanitra Ray, ny fitiavany, ny fahasoavany, ary koa ny zavatra takian’ny fahamasinany.
Tsy eto an-tany intsony Jesosy ankehitriny, mba hanambara ny hafatra. Marina izany, nefa velona Izy, ary Andriamanitra efa namela ho antsika io hafatra io an-tsoratra, ao amin’ny Baiboly. Tsy mila fanintona onja raitra be, na fandrantoana fahaizana sarotra, vao handre an’Andriamanitra. Ndao hamaky ny Baiboly ary hino izay voasoratra ao. Niteny Andriamanitra, ary mbola miteny : “Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny… Ilay avy any an-danitra” (Hebreo 12:25).