Asabotsy 30 Mey 2020

Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ny nofo, dia irak’i Satana hamely ahy... Izany no nangatahako intelo tamin’ny Tompo, mba hialan’izany amiko. Nefa hoy Izy tamiko : Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. 2 Korintiana 12:7-9

 

Ny apostoly Paoly tany am-paradisa

Tsara vakina : 2 Korintiana 12:1-10

Ny apostoly Paoly dia nitantara tamin’ny Korintiana, zavatra tsy manam-paharoa niainany efatra ambin’ny folo taona tany aloha : nakarina tany am-paradisa izy, ary nahare teny mahatalanjona “tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain’olona”. Tsy fantany akory aza na tao amin’ny vatany izy tamin’izay, na tsia. Avy eo izy dia nanohy ny fiainany mahazatra teto an-tany…

Mety ho nampirehareha an’i Paoly io zavatra tsy fahita niainany io. Koa nisoroka izany loza izany Andriamanitra, namela an’i Paoly hisy kilema hihazona azy ao anaty fanetren-tena.

Rehefa namaky io tantara io izahay mianakavy, dia nantitranterin’ny raiko fa nalefa tamin’i Paoly —ilay apostoly lehibe— izany kilema izany, tsy hoe sao sendra feno fireharehana izy raha tsy teo io kilema io, fa satria azo antoka ho nirehareha izy ! Satria na dia kristiana miavaka amin’ny rehetra aza i Paoly, dia tao anatiny, toy ny ao anatin’ny kristiana hafa rehetra ihany, ilay fototry ny ratsy, antsoin’ny Baiboly hoe “ny nofo”. Na apostoly mantsy, na kristiana tsotra, dia eo hatrany ny nofo, tsy hay sitranina ! Tsy mahatonga ny nofo ho tsaratsara kokoa, na dimampolo taona naha kristiana aza. Mitoetra ho mpanohitra an’Andriamanitra mandrakariva ny nofo.

Noho izany dia nokarakarain’Andriamanitra i Paoly mpanompony, ka narovany sy nataony mahatsapa ny fahalemeny. Amin’izay dia afaka niseho teo amin’ny fiainan’i Paoly ny herin’Andriamanitra.

Isika ve manana tsy fahafahana ara-batana hanao zavatra, na fahasahiranana manokana mampijaly antsika, izay tsy heverin’Andriamanitra ho tsara esorina amintsika ? Aoka isika hahazo antoka fa fantany ny antony tsy anesorany izany. Mety ho izany indrindra no fomba tian’Andriamanitra hanehoana ny heriny eo amin’ny fiainantsika.