Zoma 29 Mey 2020

Mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra... fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. 1 Timoty 4:7, 8

Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. 1 Timoty 6:6

 

Ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra

Fony mbola nianatra aho, telo taona taorianan’ny Mey 1968 (tany Frantsa), dia nanjaka teo amin’ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny tsy finoana an’Andriamanitra, ka rehefa tsy “marksista” ianao, dia noheverina ho tsy misaina sy taraiky ! Saingy niova ny fandehan-javatra : taorianan’ireo am-polo taona niainana sy niadiana ho an’ny tsy finoana an’Andriamanitra, dia mbola manintona olona hatrany ny ara-panahy. Ohatra amin’izany hanoanana ara-panahy izany i Rosia sy Chine ; samy niezaka namongotra izay rehetra mety ho hevitra momba an’Andriamanitra ireo firenena ireo, nefa dia samy tsy maintsy niaiky fa mbola hisy hatrany izany aorianan’ny hahafatesan’ireo niady hanafoana izany.

Ankehitriny dia tsy mahery vaika loatra intsony ny tsy finoana an’Andriamanitra, eo amin’ny lafiny ara-tsaina, nefa tena mbola manjaka kosa, eo amin’ny fiainana ankapobeny. Tsy toherina ny fihevitra momba an’Andriamanitra, saingy atao toy ny tsy misy Izy, eo amin’ny fiainana.

Omen’ny Baiboly anarana io fihetsika io, antsoiny hoe toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra. Izany dia tsy firaharahana an’Andriamanitra na amin’inona na amin’inona, na amin’ny fihevitra, na amin’ny vavaka, na amin’ny fifandraisana amin’ny tsara sy ny ratsy. Izany dia fanaovana tsinontsinona an’Andriamanitra sy ny Teniny.

Ry kristiana, ny loza dia isika koa no mety ho tratran’io toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra io, mety hanjary manalavitra an’Andriamanitra. Ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra dia sahala amin’ny fahotana voalohany indrindra (jereo Romana 1:18), ary mety hibaiko ny fiainantsika manontolo.

Mifamadika amin’izany kosa, ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia fototra fiainana ara-panahy tena izy. Ny votoatiny dia ny mikolokolo ny fifandraisantsika amin’ny Tompo, amin’ny fivavahana aminy, amin’ny fihainoana Azy, amin’ny fatokiana Azy. Misy lafiny iombonana ihany koa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, rehefa miara-mivory amin’ny mpino hafa isika, ka mamaky ny Baiboly, mivavaka, na midera an’Andriamanitra. Ny toe-panahy araka an’Andriamanitra dia mifamatotra amin’ny fanajana an’Andriamanitra sy amin’ny finoana.