Alakamisy 28 Mey 2020

Izany Lehilahy izany (Jesosy) no itoriana famelan-keloka aminareo ; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino. Asan’ny Apostoly 13:38-39

 

Manao eny, na tsia, amin’Andriamanitra

Nampiharihary ny haratsiam-pony ny olombelona tamin’ny nanomboany an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana, nefa tamin’io fotoana io koa Andriamanitra no naneho ny fitiavany antsika, ka nampihatra tamin’ny Zanany ny fanamelohana sahaza antsika.

Satria Jesosy Kristy nanao sorona ny ainy mba hamonjeny antsika, dia mamela ny helotsika Andriamanitra, ary koa manome antsika ny fiainana mandrakizay. Manaiky am-pifaliana io fanomezana io ireo rehetra mino Azy.

Nefa ny olombelona dia manana fahafahana (sy andraikitra) hanao eny na tsia amin’Andriamanitra, ka raha mandà an-tsitrapo ny famonjena atolotra azy, dia very tsy misy hantenaina intsony. Tsy misy famonjena mantsy, afa-tsy ao amin’i Jesosy (Asan’ny Apostoly 4:12).

Toa tsy azo heverina ny hoe misy olona hendry mandà io fanomezana maimaimpoana atolotr’Andriamanitra io. Nefa dia maro ireo tsy miraharaha na mandà azy io ! Aoka isika ho tonga saina fa izany fandavana izany dia tsy vitan’ny hoe tsy ahazoantsika ilay fanomezana sarobidy indrindra fotsiny ihany, fa midika koa ho faniratsirana Ilay Mpanome.

Jesosy irery ihany no afaka manala ny olona tsy hiharan’ny vokatra mampihoron-koditra ateraky ny fahadisoany. Raha tsy miaiky fa mpanota sy meloka, raha mandà ny famonjena omen’Andriamanitra, dia mitono tena hijaly mandrakizay sy mizaka samirery ny vokatr’izany.

Mbola fotoana anio, manaova eny amin’Andriamanitra. Ary avy eo, aza hadino ny misaotra Azy !