Alarobia 27 Mey 2020

Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. 1 Petera 3:18

Fa Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka, ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao. Salamo 86:5

 

Ny famindrampon’ny mpitsara

Zato taona mahery lasa izay, tao amina tanàna kely iray tany Frantsa, dia nisy mpitsara iray nanatanteraka, indraindray tsy misy hataka andro, fotoam-pitsarana fohy. Indray andro dia nisy lehilahy voampanga ho nangalatra mofo dipaina lehibe iray. Rehefa nanontanian’ilay mpitsara ny antony nanaovany izany izy, dia menatra nanazava hoe :

— Noana ny ankohonako, ary tsy hitako izay fomba hahazoany sakafo androany.

— Ny lalàna dia lalàna, hoy ilay mpitsara. Tsy maintsy mampandoa anao lamandy 5 farantsa aho.

Mazava ho azy, tsy nanana vola handoavana izany lamandy izany ilay lehilahy mampalahelo. Nanokatra ny poketrany ilay mpitsara, ka nanolotra 5 farantsa, handoavan’io lehilahy niaiky ny fahadisoany io ny trosany. Taorianan’izany dia nanao izay azo natao ny mpiara-monina, mba hahitan-dralehilahy asa, hahafahany mamelona ny ankohonany.

Ny ivon’ny Filazantsara dia ny hazofijalian’i Jesosy Kristy. Tsotra aoka izany ny hafatra fonosiny, ka na ankizy aza dia mahatakatra izany. Teo amin’ny hazofijaliana tany Kalvary ny Mpamonjy dia nisolo toerana ahy, izay meloka eo anatrehan’Andriamanitra, ary maty ho ahy. Raha miaiky ny fahotako aho, ary mino fa efa nozakain’i Jesosy Kristy ny sazin’izany teo anatrehan’Andriamanitra, dia voaloa avokoa ny zavatra rehetra ho ahy.

Ny famindrampon’ilay mpitsara ao amin’io tantara io dia ahatakarako tsaratsara kokoa ny atao hoe fahasoavan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Tokony ho nohelohiny aho noho ny fahadisoako, nefa dia Izy mihitsy no nisolo ahy, nanefa ny sazin’izany. Nataony izany, ho an’ireo rehetra manatona Azy. Mandraka ankehitriny Izy dia mbola mamela heloka ireo rehetra miaiky ny fahamelohany ka mino Azy.