Talata 26 Mey 2020

Ary nisy tafiodrivotra mahery, ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. Ary Jesosy natory teo am-bodin’ny sambokely tambonin’ny ondana ; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe : Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao ? Marka 4:37-38

 

Kristy tao anatin’ny tafiodrivotra

Fony 27 taona i Rembrandt, tamin’ny taona 1633, dia nanao ilay sary hosodoko hoe : “Kristy tao anatin’ny tafiodrivotra”. Nisamboaravoara mafy ny ranomasina, ireo mpianatr’i Jesosy nitady izay fomba rehetra tsy haharendrika ny sambokeliny, fa Izy Mpampianatra kosa, tamin’izay fotoana izay, dia natory teo am-bodin’ny sambokely. Tsy voafehin’ny mpianatra intsony ny zava-nisy, nisoritra teny amin’ny endrik’izy ireo ny tahotra. Nihevitra izy ireo fa nilaozana…

Nanisa ireo sarin’olona teo amin’ilay hosodoko aho, ka nahita tao anatin’ny sambokely, mpianatra iray faha telo ambin’ny folo, izay mahagaga fa mitovy amin’i Rembrandt mihitsy ! Tian’ilay mpanao hosodoko ho hita teo amin’ny asany ny tenany, ary izy irery no mibanjina ahy tsara, toy ny miteny amiko hoe : Ary raha mba ianao no teto ?

Ndao hiverina amin’ny tantara. Nofohazin’ny mpianatra ny Mpampianatra. Koa nasehon’i Jesosy ny heriny, amin’ny maha Zanak’Andriamanitra Azy ; nampitony ny tafiodrivotra Izy, niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe : “Mangìna, mitsahara”. Dia nitsahatra ny rivotra, ary tony tsara ny andro.

Tahaka ny mpianatra ihany isika, mora very hevitra rehefa tonga ny zava-tsarotra nefa toa tsy miditra an-tsehatra ny Tompo. Rehefa mandeha tsara ny zavatra rehetra, dia mora mamita-tena isika, mihevitra hoe nametraka taminy ny fitondrana ; fa rehefa ao anaty zava-tsarotra isika vao mahita raha tena ny Tompo tokoa no mitana ny familiana ny sambontsika.

Inona no vokatr’izany fanafahana izany, ho an’ny mpianatra ? Niteny izy ireo hoe : “Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza, manaiky Azy ?” (and 41). Toy izany koa, rehefa ao anatin’ny fitsapana isika, dia afaka mahalala hoe iza moa ny Tompo. Mahery mandrakariva Izy mba hanafaka antsika, ary tia antsika.