Alatsinainy 25 Mey 2020
Tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany ; lehibe ny fahamarinanao. Fitomaniana 3:22, 23
Sambatra izay olona manan-kery avy aminao... Miampy hery eny am-pandehanana izy. Salamo 84:5, 7
« Fotoana fohy ihany aho no mijaly ; matoa isika kivy sy mamoy fo, dia satria mieritreritra ny lasa sy ny hoavy. » Ahazoana fampianarana izany tenin’i Thérèse de Lisieux izany : ahoana ny fihetsika manoloana ny fijaliana na ireo fitsapana eo amin’ny fiainana ?
Mety haha manina antsika ny fahatoniana tamin’ny andro lasa, ny fifaliana sy ny fiainana mora tany aloha. Nefa taomin’Andriamanitra isika tsy hijery ny lasa mba hanenina. “Aza manao hoe : Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny ? fa tsy avy amin’ny fahendrena no anontanianao izany” (Mpitoriteny 7:10). Nefa kosa aoka hotsarovantsika fa tsy mba nandao antsika mihitsy Andriamanitra.
Mety hanana ahiahy ihany koa isika momba ny hoavy : mihena ny herintsika, mampitebiteby ny fomba fiovan’ny fiarahamonina… Nefa hoy ny apostoly amintsika : “Apetraho aminy (amin’Andriamanitra) ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo” (1 Petera 5:7). Tsy afaka manova na inona na inona momba ny lasantsika isika, ary tsy antsika ny hoavy. Eo am-pelatanan’Andriamanitra ny zavatra rehetra, Izy no mahatanteraka izany ho antsika (Salamo 57:2).
“Ampy ho an’ny andro ny ratsy miseho ao aminy”, hoy Jesosy Kristy (Matio 6:34). Vitantsika ny mizaka ny fahoriana miseho anio, rehefa ampiany isika. Tia antsika Izy, ary mahatakatra ireo fijaliantsika sy miara-ory amintsika mandrakariva. Hanome hery antsika isanandro isanandro Izy. Aoka isika hianatra ny hangataka izany aminy isa-maraina sy hiantehitra amin’ny tsy fiovaovany. Nampanantena Izy hoe : “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20).