Alahady 24 Mey 2020
Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Ianao... Mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy... Ny tenako tsy niafina taminao, fony natao tao amin’ny miafina aho, ka noforoninao hisy endrika... Ny masonao efa nahita ahy, na dia fony tsy mbola ary fady aza aho ; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry, fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza. Salamo 139:13-16
Vao teraka ny zanako ; dia apetraky ny dokotera eo an-tanako, sady hoy izy amiko hoe : “Ary ankehitriny, ramatoa, mifalia mahita ny asanao !”
Lasa eritreritra aho. Tena “asako” tokoa ve ity zaza ity ? Marina fa nitondra sy niteraka azy aho. Saingy iza no nitantana ny fiforonany, ny fizarazaran’ireo sela voalohany, ny fihamaroan’izy ireo, ny firindrana miandalana mahagaga teo amin’izy ireo ? Iza no niasa tao amin’ny miafina, nandritra ny vohoka, mandra-pahatonga ny fotoana nahaterahan’olona iray teto amin’ity tany ity, olona nanana vatana miasa amin’ny fomba mahatalanjona, nanana fanahy sy saina ihany koa ? Ny reny ve dia zavatra hafa noho ny hoe fitaovana eo am-pelatanan’Ilay Mpahary ?
Lasa tany amin’ny Salamo faha-139 ny eritreritro. Ao i Davida nitolagaga tamin’ny fomba namoronan’Andriamanitra azy, sady liana tamin’ny fotoana voalohany indrindra nisiany. Izy ve tsy “noforonina hisy endrika” ? Fony mbola tsimok’aina marefo fotsiny izy, dia efa nahita azy Andriamanitra, ary nanamarika tsara ireo dingana teo amin’ny fitomboany mahatalanjona.
Ianareo izay ho reny rahampitso, natao ho anareo ity salamo ity, izay mampiseho aminareo fa ny zazakely ao am-bohokareo dia tena mahaliana Ilay Mpahary sy karakarainy fatratra ; ary marihiny avokoa ny dingana rehetra eo amin’ny fiforonany tao amin’ny mangingina, nanomboka tamin’ny andro naha torontoronina azy ka hatramin’ny nahaterahany.
Io zazakely io, iray amin’ireo zazakely maro hafa teraka isanandro, amin’Andriamanitra, dia olona tokana aman-tany, sarobidy, tiana. Noforoniny araka izao maha izy azy izao izy, ary iriny hiaraka aminy ho mandrakizay any an-danitra. Ho azy no nahatongavan’i Jesosy Kristy !