Asabotsy 23 Mey 2020

Tsarovy ny Mpanao anao, amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory... ka ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny. Mpitoriteny 12:1, 7

 

Rahampitso

Hoy ny fiteny iray mahazatra : Aza ahemotra ho amin’ny ampitso izay azonao atao androany. Mitory fahendrena izany fihetsika izany, amina sehatra maro ; ary tsy maintsy tanterahina mihitsy, raha mahakasika raharaha lehibe sy maika tsy ho hay tanterahina intsony rahampitso.

Ohatra, raha momba ny fahasalaman’ny olona iray, dia mety ho loza no hanjo azy raha andrasana aoriana kely. Ho ana olona marary mafy, ny fanafody nosoratan’ny dokotera mba homena azy anio dia tsy hisy vokany raha apetraka fotsiny eo ambony latabatra ilay taratasim-panafody. Izany dia tena mitory tsy firaharahana.

Koa nahoana àry, rehefa momba ny famonjena mandrakizay, no re matetika ny teny hoe : Mbola hisy fotoana hiheverana ny amin’izany ihany rehefa manakaiky ny fahafatesana e ! Nefa fantatra ve raha ho hita ny hahatongavany ? Tsy mampandre foana izy hoe ho avy. Azo atao ihany koa ny minia mikimpy maso, mba tsy hahita ny fiaviany. Nefa ny fahamalinana tsotra indrindra dia tokony hanosika ny olona tsirairay ho sahy hametraka amin’ny tenany ny fanontaniana fototra momba ny tsy maintsy hihaonany amin’Ilay Mpahary azy, Ilay Andriamanitra masina.

 

Mandalo anio ny Mpamonjy ;

Aza mitoky amin’ny ampitso.

Anio no androm-pahasoavana :

Jereo fa manatsotra ny tanany aminao Izy.

 

Mihelina ny fotoana, manidina ny ora ;

Sokafy amin’i Jesosy ny fonao.

Matokia ny Teniny,

Faingàna ianao, aza mitaredretra intsony !