Zoma 22 Mey 2020
Hampitovinareo amin’iza moa Aho, ... ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko ? ...
Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa ; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy. Isaia 46:5, 9
Gandhi (1869-1948) dia nalaza noho izy nitady ela, fivavahana mahafa-po, sy niady ho amin’ny fahaleovantenan’i India, ary noho ny nahafatesany tamin’ny fomba mampihoron-koditra… Noforoniny tao an-tsainy hoe misy andriamanitra tokana, ka afaka mifandray amin’izy io ny olona tsirairay manavo-tena amin’ny asa fivalozana sy fifadian-kanina. Aminy, hoy izy, “ny fivavahana rehetra dia toy ny lalana samihafa miara-mipaka amina teboka iray. Tsy maninona na tsy mitovy aza ny lalantsika, rehefa samy mahatratra io tanjona iombonana io. Raha ny marina, dia mitovy ny isan’ny olona sy ny fivavahana”.
Tsy misy teny tsara kokoa noho izany, afaka hiaro ny “zo”-n’ny tsirairay hanana ny fivavahany ! Fihevitra fahita matetika amin’izao vanimpotoana iainantsika izao izany, maro ankehitriny ny olona mihevitra fa mitovy lanja avokoa ny karazam-pivavahana rehetra. Tonga amin’izany fisainana izany ny sasany, satria diso fanantenana tamina rafi-pivavahana samihafa na tamin’ireo mpanaraka azy ireny ; ny hafa indray, diso fanantenana rehefa avy nanaraka mpaminany sandoka nanambaka azy “amin’ny teny mamitaka” (2 Petera 2:3). Misy koa, mitady izay mifanaraka indrindra amin’ny hetahetany. Tsy miraika intsony izy rehetra ireo, ka miteny toa an’i Gandhi hoe : Tsy mampaninona na inona na inona fivavahana, fa ny tanjona no zava-dehibe !
Tapi-dalan-kaleha anefa raha mitady hanoritra lalana samirery ao anaty fo feno olikolika ao, mba hahatongavana eo amin’Andriamanitra. Tsy misy afa-tsy fahamarinana tokana, fanorenana tokana, lalana tokana… olona tokana ho amina tanjona tokana. Tonga olombelona nonina tetỳ an-tany Jesosy, ka nampiseho amin’ny fomba mivaingana hoe Iza moa Ilay Andriamanitra Mpamonjy. Hoy Izy : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).
Kristy no lalana : ndao hanaraka Azy. Izy no fahamarinana : ndao hino Azy. Izy no fiainana : ndao handray Azy.