Alakamisy 21 Mey 2020
(Hoy Jesosy tamin’i Maria :) Aza manendry Ahy ; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho ; fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo. Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe : Efa nahita ny Tompo aho ; sady izany teny izany no nolazainy taminy. Jaona 20:17-18
“Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana ; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana, ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesosy, ary ny anankiray teo an-tongotra. Ary hoy ireo taminy :
— Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany ? Dia hoy izy taminy :
— Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
Rehefa nilaza izany izy, dia nitodika ka nahita an’i Jesosy nitsangana teo, nefa tsy fantany ho Jesosy. Hoy Jesosy taminy :
— Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany ? Iza no tadiavinao ?
Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy :
— Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy. Hoy Jesosy taminy :
— Ry Maria !
Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao teny Hebreo hoe : Rabôny ! izany hoe : Mpampianatra ô.”
“Mandehana, hoy Jesosy, mankany amin’ny rahalahiko,
Satria miakatra ho any amin’Andriamanitro Aho,
Ho any amin’ny Raiko sy Rainareo,
Ho an’ny amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo”.
Nitondra izany hafatra izany izy,
Hafatra tena mahafinaritra,
Manakoako amin’ny vanimpotoana rehetra mifandimby,
Tsy miova nefa vaovao.
Ianao izay mitady Mpanavotra velona sy mahery,
Eo amin’ny fiainana,
Hevero ny fahasoavana tsy ritra
Omen’Ilay Lehibe Mpandresy ny fahafatesana.
Aoka ho Jesosy no hany Tompo
Sy sakaizan’ny fonao,
Satria ny mitia sy mahafantatra Azy
No ahitana fahasambarana !
Ruth Demaurex