Alarobia 20 Mey 2020

Filipo ... nitory an’i Jesosy taminy. Asan’ny Apostoly 8:35

Hoy Jesosy taminy : Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Jaona 6:35

 

Jesosy no niteny tamiko

« Nikatsaka mandrakariva ny fahamarinana aho, ny tena fahamarinana, ny marina. Niaina ny volana Mey 1968 (tany Frantsa) aho, ary natoky fa ho tonga amin’izay ny fitovian-jo sy ny firahalahiana. Nefa voatery niaiky aho fa izaho koa dia olona mahavita manao ny tsy rariny. Nitady tany an-toeran-kafa aho, tany India aza… Saingy hatraiza hatraiza dia mitovy ihany ny fahantrana, ny tsy rariny, ny olana. Avy eo aho dia nahita toeran-kiafarana tao amin’ny Tafiky ny Famonjena (Armée du Salut). Indray maraina dia nisy vehivavy manam-boninahitra iray nipetraka teo anilako, niteny tamiko hoe : “Nanova ny fiainako Jesosy.” Tsy niteny tamiko izy hoe : “Mino an’Andriamanitra aho, misy Andriamanitra…” Fa hoe : “Nanova ny fiainako Jesosy”. Izay no dona voalohany nahazo ahy.

Tatỳ aoriana kely aho dia nifanena tamina vehivavy iray hafa, nijoro ho vavolombelona : “Dokotera aho, efa roapolo taona izao no nahafantarako an’i Jesosy, ary tsy nandiso fanantenana ahy mihitsy Izy”. Dona faharoa teo amin’ny fiainako izany ! Koa niditra tao an’efitranoko aho, mba hivavaka ; mila mahita an’io Jesosy io aho ! Nandritra ny antsasak’adiny, farafahakeliny, dia niaina ady mafy aho. Avy eo dia resy aho, ary nandohalika. Nivavaka tamin’i Jesosy aho hoe : “Tsy fantatro. Tsy mahalala Anao aho, tsy fantatro raha marina tokoa izay rehetra notantaraina tamiko. Fa raha misy Ianao, dia tena tiako mihitsy hanova ny fiainako, tiako hiditra eo amin’ny fiainako”.

Nirotsaka ny ranomasoko. Nosokafako ny Baiboly, ary ny tojo ahy dia ny Filazantsara nitenenan’i Jesosy hoe : “Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohaina ianareo” (Matio 7:7). Ho ahy dia tsy boky intsony io, fa Jesosy niteny tamiko. Niova ny fiainako, tamin’izay fotoana izay. Nifanena taminy aho. »

Denise B.