Talata 19 Mey 2020

Tonga ny Zanak’olona (Jesosy) mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo : Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota. Lioka 7:34

Fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. Jaona 4:42

 

Ilay Sakaizan’ny olona rehetra

Ao amin’ireo filazantsara dia hitantsika Jesosy manatona karazan’olona samihafa. Nisakafo tao an-tranona lehilahy mpanankarena Izy, ary nifanerasera ihany koa tamin’ny mahantra. Niresaka manokana tamina vehivavy Izy, ary tamina vehivavy iray ratsy fitondrantena koa aza. Niresaka tamina mpamory hetra (tsy azoazon’ny olona, matetika) Izy ary nitaona azy io hanaraka Azy.

Tena nifanakaiky tamin’ny olona tsirairay Jesosy, hany ka nampangaina ho “sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota”. Tena Sakaizan’ny olona rehetra tokoa Izy. Araka izany, dia amin’ny maha Sakaiza Azy no nanatonany ny olona… ary tamin’ny fiafaran’ny fiainany teto an-tany aza, dia nanjary Mpamonjy azy ireo Izy, teo amin’ny hazofijaliana.

Tonga Jesosy nanolo-tanana ny olona tsirairay. Nanana fihetsika mampihavana Izy, nampiseho fa Andriamanitra dia tia ny olona ary te hamela heloka azy.

Mandraka ankehitriny Jesosy dia miantso antsika amin’ny maha Sakaizantsika Azy. Maniry Izy mba tsy hisy na inona na inona hanakana fihaonana manokana aminy, ao anatin’ny fatokiana, ny finoana, ny vavaka. Afaka manatona Azy isika, satria Izy no efa nanatona antsika voalohany. Nidina tetỳ amintsika Ilay Tompontsika, ka noho izany irery ihany no nahafahantsika nahazo izay ilaintsika, araka izay nangatahintsika. Raha tsy tonga Izy, dia tsy ho afaka nanatona Azy mihitsy ny mpanota ; saingy nidina Izy mba hanarina azy ireo sy hitondra azy eo amin’Andriamanitra.

Eny, ankehitriny isika dia afaka miteny amin’ny olona tsirairay eto amin’izao tontolo izao, hoe mahazo manatona tsotra fotsiny an’i Jesosy izy, amin’izao maha izy azy izao, dia ho voavonjy. Eny, te ho Sakaizan’ny olona rehetra Jesosy : tia antsika Izy.